Salamo 8 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 8Lehibe ny Mpahary

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitienina . Tononkiran’i Davida.

2Ry Iaveh Tomponay,

mba be voninahitra re ny Anaranao, amin’ny tany rehetra!

Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!

3Amin’ny vavan’ny ankizy sy ny mbola minono

no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao,

sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva.

4Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao,

mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao,

dia vaky vava aho hoe:

5«Inona ny olombelona no mba tsarovanao?

ary ny zanak’olombelona no mba karakarainao?

6Nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy,

nosatrohanao voninahitra amam-piandrianana izy

7Nampanjakainao amin’ny asan-tananao izy,

napetrakao eo ambany tongony ny zavatra rehetra:

8omby aman’ondry tsy an-kanavaka,

mbamin’ny biby any an-tsaha;

9voromanidina aman-kazan-dranomasina,

mbamin’izay mitety ny lalan-dranomasina.

10Ry Iaveh Tomponay,

mba be voninahitra re ny Anaranao amin’ny tany rehetra!»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help