1Izao no nasehon’ny Tompo Iaveh tamiko:
dia indreto voankazo masaka iray sobiky.
2Ary hoy izy: «Inona no hitanao, ry Amôsy?»
Dia hoy ny navaliko: «Voankazo masaka iray sobiky.»
Ka hoy i Iaveh tamiko: «Tonga ny farany
ho an’i Israely vahoakako:
Tsy hamela azy intsony Aho, izao sisa izao.
3Amin’izany andro izany, ny hira ao an-dapa
ho zary finaonaonana
- teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Ny faty ho betsaka,
ary hazera hatraiza hatraiza amim-panginana ireny.»
Ireo mpanambaka sy mpifetsy(Jereo Am 2,6-8; 4,1)4Mihainoa izao ianareo mihinana ny mahantra,
sy mitady hamongotra ny mavomavo amin’ny tany,
5manao hoe:
Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana;
mba hahazoantsika mivarotra vary;
ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary,
ka ny efaha hohakelezina, ny sikla hampitomboina;
ny mizàna, hatao mandainga, hamitahana.
6Dia hovidintsika vola ny fadiranovana,
ary ny mahantra, noho ny amin’ny kapa iray lomisy,
sady hivarotantsika ny vary loha-kororòka?
7Efa nianiana tamin’ny reharehan’i Jakôba i Iaveh:
Raha hohadinoiko mandra-piavin’ny farany,
izay rehetra nataon’izy ireo.
8Noho izany, tsy hihorohoro va ny tany,
ary tsy hisaona va ny mponina rehetra eo aminy?
Hisondrotra tahaka an’i Nila ny tany manontolo,
hisondrotra sy hietry tahaka an’i Nilan’i Ejipta izy.
Fanambaràna famaizana mahagaga: Haizina sy fisaonana9Amin’izany andro izany, izao no hitranga,
- teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Ny masoandro halentiko mitatao vovonana;
ary ny tany hosaronako haizina amin’ny andro tony tsara.
10Ny fetinareo hampodiko ho fisaonana;
ny hira fifalianareo, ho fitomaniana;
ny andilana rehetra hosikinako lasàka,
ny loha rehetra hataoko sola;
ny tany hataoko hoatra ny misaona zanaka lahy tokana;
ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy.
Hetaheta ny Tenin’Andriamanitra11Indro tamy ny andro,
- teny marin’ny Tompo Iaveh, -
hanirahako hanoanana amin’ny tany;
tsy mba hanoanana momba ny mofo,
na hetaheta momba ny rano,
fa ny faniriana te-handre ny tenin’i Iaveh.
12Dia hirenireny hatrany amin’ny ranomasina,
ka hatrany amin’ny ranomasina izy ireo,
hatrany amin’ny avaratra, ka hatrany amin’ny atsinanana;
hivezivezy atsỳ arỳ, hitady ny tenin’i Iaveh,
nefa tsy hahita izany izy ireo.
Fanambaràna famaizana indray13Amin’izany andro izany, dia ho reraka ny virjiny tsara tarehy,
mbamin’ny tovolahy, azon’ny hetaheta.
14Ry zareo, mianiana amin’ny fahotan’i Samaria,
ka manao hoe: Amin’ny Andriamanitrareo, ry Dàna!
Amin’ny lalan’i Bersabea!
dia samy ho lavo tsy haharina intsony.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.