Eksaody 6 - Malagasy Catholic Bible

1Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Tsy ho ela akory dia ho hitanao izay hafitsoko an’i Faraôna, fa noho ny tanana mahery dia handefa ireo handeha izy; noho ny tanana mahery dia handroaka azy hiala amin’ny taniny.»

Filazana fanindroany ny niantsoana an’i Môizy(Jereo 3,1–4,23)

2Niteny tamin’i Môizy Andriamanitra nanao hoe: «Izaho no Iaveh.

3Efa niseho tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra Aho; fa mbola tsy nanambara Ahy taminy Aho araka ny Anarako hoe Iaveh.

4Efa nanao fanekem-pihavanana taminy koa Aho mba hanomezako azy ireo ny tany Kanaana, izay tany nivahinianany sy nitoerany ho mpivahiny.

5Nandre ny fitarainan’ny zanak’i Israely izay andevozin’ny Ejiptianina Aho, ka nahatsiaro ny fanekeko.

6Koa lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Izaho no Iaveh; hanafaka anareo amin’ny fanompoana ny Ejiptianina Aho; hamonjy anareo amin’ny fanandevozan’izy ireo; ary sandry mihenjana sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.

7Halaiko ho vahoakako ianareo, ka ho Andriamanitrareo Aho, izay manafaka anareo amin’ny fanompoan’ny Ejiptianina.

8Hampidiriko any amin’ny tany efa nianianako homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ianareo, homeko ho fanananareo izany: Izaho no Iaveh.»

9Dia nolazain’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely izany. Nefa tsy nihaino an’i Môizy akory ireo, fa ory ny fony, ary mafy ny fanompoana.

10Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

11«Mandehana ianao miteny amin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mba handefasany ny zanak’i Israely ho any ivelan’ny taniny.»

12Fa hoy i Môizy namaly teo anatrehan’i Iaveh hoe: «Ny zanak’i Israely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan’i Faraôna ahy izay votsa vava ity?»

13Dia niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ary nanafatra azy ny amin’ny zanak’i Israely, sy ny amin’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, momba ny famoahana ny zanak’i Israely, hiala amin’ny tany Ejipta.

14Izao no loham-pianakavian’izy ireo: Zanaka lahin-dRobena, lahy matoan’i Israely: i Henoka, i Falao, i Hesrôna ary i Karmì. Ireo no fianakavian’i Robena.

15Zanaka lahin’i Simeôna: i Jamoela, i Jamina, i Ahoda, i Jasîna, i Soara, ary i Saola, zanaka lahin’ilay vehivavy Kananeanina. Ireo no fianakavian’i Simeôna.

16Izao no anaran’ny zanaka lahin’i Levỳ, mbamin’ny taranany avy: Jersôna, Kaata ary Merarỳ. Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Levỳ.

17Zanak’i Jersôna: i Lobnì sy i Semeì isam-pianakaviany.

18Zanak’i Kaata: i Amrama, i Isaara, i Hebrôna ary i Oziela. Telo amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Kaata.

19Zanakalahin’i Merarỳ: i Moholì sy i Mosỳ. Ireo no fianakavian’i Levỳ mbamin’ny taranany avy.

20I Amrama naka an’i Jôkadeba anabavin-drainy ho vadiny; ka io no niteraka an’i Aarôna sy i Môizy taminy. Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Amrama.

21Zanaka lahin’Isaara: i Kôre, i Nefaga ary i Zekri.

22Zanaka lahin’i Oziela: i Misaely, i Elisafàna ary i Setrỳ.

23I Aarôna naka an’i Elisabeta, zanaka vavin’i Aminadaba, anabavin’i Naasôna, ho vadiny, ka io no niteraka taminy an’i Nabada, i Abina, i Eleazara ary i Itamara.

24Zanaka lahin’i Kôre: i Asera, i Elkanà ary i Abiasafa. Ireo no fianakavian’i Kôrita.

25I Eleazara, zanaka lahin’i Aarôna, nanambady ny anankiray amin’ny zanaka vavin’i Fotiela, ka izay no niteraka an’i Finea taminy.

Ireo no loham-pianakavian’ny Levita araka ny fianakaviany.

26Ireo no ilay Aarôna sy ilay Môizy, izay nilazan’i Iaveh hoe: «Ento mivoaka hiala amin’ny tany Ejipta ny zanak’i Israely, araka ny antokony avy.»

27Ireo no teniny tamin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mba hitondra ny zanak’i Israely hivoaka avy any Ejipta; dia io Môizy io sy io Aarôna io.

Famintinana ny fiantsoana an’i Môizy.

28Raha niteny tamin’i Môizy i Iaveh tany amin’ny tany Ejipta,

29dia izao no nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy: «Izaho no Iaveh: Lazao amin’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao.»

30Ary izao no navalin’i Môizy teo anatrehan’i Iaveh: «Indro fa votsa fiteny aho, ka ahoana ange no hihainoan’i Faraôna ahy?»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help