Salamo 144 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 144 (Volgata 143)Fangatahana fandresena

1 Nataon’i Davida.

Hisaorana anie i Iaveh Vatolampiko,

izay nampianatra ny tanako hiady,

ary ny rantsan-tanako hiantafika.

2Mpanao soa ahy aman-trano mimandako,

fialofako avo ama-mpanafaka ahy,

ampingako ama-mpialofako,

izay mandamina ny vahoakako hanoa ahy!

3Iaveh ô, inona moa ny olombelona no mba heverinao,

ny zanak’olombelona, no mba ahìnao?

4Tahaka ny tso-drivotra ihany ny olombelona;

tahaka ny aloka mandalo foana ny androny.

5Iaveh ô, aondreho ny lanitrao, ka midìna;

tendreo ny tendrombohitra dia aoka hirehitra izy.

6Aoka Ianao hampanjopiaka ny tselatra ka hampiparitaka ny fahavalo;

alefaso ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireny.

7Ahinjiro avy any ambony ny tananao

ka afaho sy vonjeo aho amin’ny rano be,

amin’ny tanan’ireo tarana-pirenen-kafa,

8izay mamoaka lainga ny vavany,

ary tanana ankavanana mivadika no tanany ankavanana.

9Andriamanitra, hihira fihiram-baovao ho Anao aho,

hankalaza Anao amin’ny valiha tory folo aho.

10Ianao izay nanome fandresena ny mpanjaka,

sy namonjy an’i Davida mpanomponao amin’ny sabatra mahafaty,

11dia afaho sy vonjeo aho

amin’ny tanan’ireo tarana-pirenen-kafa,

izay mamoaka lainga ny vavany,

ary tanana ankavanana mivadika no tanany ankavanana.

12Hanahaka ny zana-kazo mirobona anie ny zanakay lahy

ka hitombo mandritra ny fahatanorany.

Hanahaka ny andry fehizoro anie ny zanakay vavy,

misy sarin-javatra voasikotra, toy ny amin’ny Tempoly!

13Ho feno mandrakariva anie ny sompitray,

ka ho hipoka vokatra isan-karazany.

Ny ondrinay eny an-tanim-bilonay anie

hitombo arivoarivo sy alinalina,

14ary ny ombinay hahavanona anaka.

Aza misy ao anatin’ny mandanay ny fahabangana na fikoizana,

aza misy re eny amin’ny kianjanay anie ny antso vonjy taitra!

15Sambatra ny firenena, miarana amin’izany zava-tsoa izany.

Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help