Ezekiela 21 - Malagasy Catholic Bible

Ny sabatr’i Iaveh

1Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2Ry zanak’olona, atodiho mankany Temàna ny tavanao;

ataovy mijojo mankany atsimo ny teninao,

ary manaova faminaniana manohitra ny alan’ny tany atsimo,

3lazao amin’ny ala atsimo hoe:

Henoy ny tenin’i Iaveh!

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro Aho handrehitra afo eo afovoanao,

ary dia handevona ny hazo maitso rehetra eo aminao,

mbamin’ny hazo maina rehetra:

tsy ho faty ny lelafo mahamay,

ka ho levona avokoa izay rehetra eo amin’ny vohon’ny tany,

hatrany atsimo ka hatrany avaratra.

4Dia ho fantatry ny nofo rehetra

fa Izaho Iaveh no nandrehitra izany,

ka tsy ho faty izy.

5Ary hoy Aho: Indrisy, ry Tompo Iaveh ô, hoy ny filazan’izy ireo ahy: Tsy manao fanoharana va Izy?

6Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

7Ry zanak’olona, atodiho mankany Jerosalema ny tananao;

ary ataovy mijojo mankamin’ny fitoerana masina ny teninao;

ary manaova faminaniana manohitra ny tanin’i Israely;

8lazao amin’ny tanin’i Israely hoe:

Izao no lazain’i Iaveh:

Indro Aho tonga ho atỳ aminao;

hotsoahiko amin’ny tranony ny sabatro,

ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao.

9Ary satria handringana ny marina sy ny meloka eo aminao Aho,

noho izany dia hitsoaka avy amin’ny tranony ny sabatro

hamely ny nofo rehetra, hatrany atsimo ka hatrany avaratra.

10Dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Iaveh

no nanatsoaka ny sabatro tamin’ny tranony;

ka tsy hiditra ao intsony izy.

11Ary ianao, ry zanak’olona, midridridridria;

mandra-pahatapa-balahana anao amim-pangidiana,

midridridridria eo imasony.

12Ary rehefa hilaza aminao izy ireo hanao hoe: «Nahoana no midridridridry ianao?»

Valio hoe: «Noho ny zava-baovao ho avy;

fa hivarahontsana ny fo rehetra;

hiraviravy ny tanana rehetra;

ho velona ahiahy ny saina rehetra;

hilefaka toy ny rano, ny lohalika rehetra.

Indro, avy izany, ka efa tanteraka,

- teny marin’ny Tompo Iaveh.» -

13Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

14Ry zanak’olona, maminania ka ataovy hoe;

Izao no lazain’i Iaveh: lazao hoe:

Ny sabatra, ny sabatra efa voaranitra sady voafotsy:

15voaranitra izy, handringanana;

voafotsy izy, mba handefa tselatra manjopelaka.

Sa hifaly va isika, hanao hoe:

Vingavingain’ny tehim-panjakan’ny zanako, ny hazo rehetra?

16Nomena hofotsiana izy, mba horaisin-tanana;

sabatra voaranitra izany, sabatra voafotsy izany,

mba hatolotra eo an-tanan’ny mpanompo.

17Mikiakiaha sy midradradradrà, ry zanak’olona,

fa ho amin’ny vahoakako izany sabatra izany,

ho amin’ny lehibe rehetra, eo amin’i Israely.

Voatolotra ho an’ny sabatra izy ireo,

mbamin’ny vahoakako;

koa dony ny fenao.

18Fa efa vita ny fizahan-toetra: ka ahoana indray?

Na mbola mamingavinga ihany aza izany tehim-panjakana izany,

koa tsy hahatanterahan’ny fandrahonako va izany?

- teny marin’ny Tompo Iaveh! -

19Ary maminania ianao, ry zanak’olona,

ka mitehafa tanana:

Aoka ho avo roa heny, telo heny aza, ny famelezan’ny sabatra!

Dia ny sabatra famonoana,

ny sabatra famonoam-be

no manodidina azy.

20Mba hahareraka ny fo,

sy hahamaro ny hovonoina,

dia ny vavahady rehetra no nametrahako

ny sabatra mamono.

Indro, voavoatra izy, mba handefa tselatra,

voaasa izy, mba handringanana!

21Hodin-kavanana! Hodin-kavia!

Atrika, atsỳ, arỳ!

22Izaho koa, hiteha-tanana, sy hanarana ny hatezerako.

Izaho Iaveh, no efa niteny.

Ny mpanjakan’i Babilôna eo am-pihaonan-dalana

23Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

24Manorita ianao, lalan-droa halehan’ny sabatry ny mpanjakan’i Babilôna, ry zanak’olona; ataovy avy amin’ny tany iray ihany izy roa ireo; ary manorita famantarana, ka eo an-dohan’ny lalan’ny tanàna anankiray no sorito izany.

25Manorita lalana halehan’ny sabatra ho any Rabata, renivohitry ny taranak’i Amôna, na ho any amin’i Jodà, hamely an’i Jerosalema, tanàna mimanda.

26Fa ny mpanjakan’i Babilôna, nijanona teo an-tsampanan-dalana, eo an-dohan’ny lalan-droa, mba hanao sikidy: ka manetsiketsika ny zana-tsipikany, manontany amin’ny terafima, mizaha amin’ny atinkena.

27Eo an-tanany ankavanana ny sikidy Jerosalema, hanangana lohondry vy hamely ny manda, handoaka fidirana amin’ny banga, hanandra-peo amin’ny akoran’ady, hanangana lohondry vy hamelezana ny vavahady, hanandratra tovon-tany, hanorina manda.

28Faminaniana lainga ihany izany, eo imason’izy ireo; manana ny faminaniana masina indrindra hiaro azy izy ireo; nefa hampahatsiaroviny azy ny helony taloha, rehefa voasambotra izy.

29Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianareo nampahatsiaro ny helokareo, tamin’ny nampihariharinareo ny hadisoanareo sy nanehoanareo ny fahotanareo tamin’izay rehetra nataonareo, ka nanao izay hahatsiarovanareo anareo, dia nosamborin-tanana ianareo.

30Ary ianao, ry ilay afa-pahamasinana, mpanjaka ratsy fanahin’i Israely, efa tonga ny andronao, amin’izao ipahan’ny fotoanan’ny faharatsiana;

31ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ny hamama halàna; ny satroboninahitra hesorina; hakorontana izao rehetra izao; ny iva hasandratra, ny avo haetry.

32Hataoko rava dia rava dia rava izany; tsy ho eo intsony izany, mandra-piavin’ilay Tompon’ny fitsarana, izay hametrahako sy homeko an’izany.

Sazin’i Amôna

33Ary ianao, ry zanak’olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh mamely ny taranak’i Amôna, sy ny amin’ny faniratsirany. Lazao hoe:

Ny sabatra, ny sabatra efa voatsoaka handringana:

voafotsy izy handevona sy handefa tselatra,

34- dia ny mbola ahitana zava-poana ianao,

sy fambara mamitaka,

hampiraisana toerana anao amin’ny fatin’ny ratsy fanahy voatolotra ho an’ny sabatra,

fa efa tonga ny androny amin’izao ipahan’ny fotoanan’ny faharatsiana.

35Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao;

fa eo amin’ny toerana nahariana anao,

eo amin’ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao.

36Hampidiniko aminao ny havinirako;

hotsofiko aminao ny afom-pahatezerako;

ary hatolotro eo an-tanan’ny olona adala ianao,

sy amin’ny mpanao fandringanana.

37Hohanin’ny afo ianao,

ny ranao dia ho eo afovoan’ny tany,

ary ianao tsy hotsarovan’ny olona;

fa Izaho Iaveh no niteny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help