1 Ho an’ny mpampianatra hira. - Tononkiran’i Davida.
2Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra,
ary ny habakabaka manambara ny asan-tanany.
3Ny andro mitory fiderana amin’ny andro,
ny alina mampandre izany amin’ny alina.
4Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny
izay tsisy haharenesana ny feony:
5fa mitety ny tany rehetra ny fanenon’ny feony,
ka tonga hatramin’ny faran’ny tany ny fikarantsan’ny feony.
Dia any Izy no nanangan-day ho an’ny masoandro.
6Ary Izy io tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy amin’ny trano fandriany
dia miezaka an-kafaliana toy ny olo-mahery fo, hanafaka ny lalan-kalehany.
7Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala;
ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany;
tsy misy tsy takatry ny hafanàny.
8Lavorary ny lalàn’i Iaveh,
mamelombelona ny fanahy;
mahatoky ny teny vavolombelon’i Iaveh,
ka mahahendry ny kely saina.
9Mahitsy ny fandidian’i Iaveh,
ka mahafaly ny fo;
madio ny didin’i Iaveh,
ka mampahazava ny maso.
10Masina ny fahatahorana an’i Iaveh,
ka maharitra mandrakizay;
marina ny fitsipik’i Iaveh,
ka mahitsy avokoa.
11Sarobidy noho ny volamena ireny,
mihoatra noho ny volamena madio betsaka;
mamy noho ny tantely izy,
mihoatra noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra.
12Ny mpanomponao koa dia hazavain’ireny;
ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy.
13Iza moa no mahalala ny faniasiavany?
Mamelà ahy amin’izay tsy fantatro.
14Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao;
aoka tsy hanjaka aminy ireny.
Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.
15Raiso amim-pankasitrahana ny tenin’ny vavako,
mbamin’ny fitiavan’ny foko,
eo anatrehanao, ry Iaveh,
Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.