Deterônômy 21 - Malagasy Catholic Bible

Vono olona tsy hita fotony

1«Raha misy maty vonoin’olona hita miampatra any an-tsaha amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao hanananao azy, ka tsy fantatra izay namono azy,

2dia aoka ny loholona ama-mpitsaranao handeha handrefy ny anelanelan’ny tanàna manodidina sy ny toerana misy ny faty.

3Ary ny amin’ny tanàna akaikin’ny faty indrindra dia halain’ny loholona amin’izany tanàna izany ny vantotr’ombivavy iray izay tsy mbola nampiasaina, na nitari-javatra amin’ny jioga,

4ka hitondra azy midina amin’ny sakeli-drano tsy ritra amin’ny fitoerana tsy mbola voavoly na voafafy, ary ao no hamolahany ny hatoky ny vantotr’ombivavy ao amin’ny sakeli-drano.

5Dia hanatona ny mpisorona, taranak’i Levì, fa ireo no nofidin’i Iaveh Andriamanitrao, hanompo azy sy hitso-drano amin’ny anaran’i Iaveh Andriamanitrao; ary araka ny tenin’izy ireo no hitsarana ny fifandirana sy ny fandratràna rehetra.

6Hanasa ny tanany eo ambonin’ilay vantotr’ombivavy voafola-katoka teo amin’ny sakeli-drano ny loholona rehetra amin’ny tanàna akaikin’ny faty indrindra,

7dia hiteny izy ireo, ka hanao hoe: Tsy nandatsaka ity ra ity ny tananay, ary tsy nahita izany ny masonay.

8Ry Iaveh ô, avelao ny helok’i Israely vahoakanao izay navotanao, ary aza avela ao afovoan’i Israely vahoakanao ny ra tsy manan-tsiny. Dia voaonitra amin’izy ireo izany ra izany.

9Izany no hanesoranao eo afovoanao ny ra tsy manan-tsiny, amin’ny fanaovanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh.»

MOMBA NY FANAMBADIANAVehivavy babo

10«Raha mivoaka hiady amin’ny fahavalonao ianao, ka atolotr’i Iaveh Andriamanitrao eo an-tananao izy ary misy azonao sambo-belona izy ireo,

11ka mahita vehivavy tsara tarehy anankiray amin’ny babo ianao, ka raiki-pitia azy sy maniry hanambady azy,

12dia ento miditra ao anatin’ny tranonao izy. Amin’izay ny lohany haratany, ny hohony halany,

13ny fitafiany tamin’ny nahababo azy havelany, ary izy hitoetra ao an-tranonao, hitomany ny ray aman-dreniny iray volana izy; raha efa izany dia handeha aminy ianao, ka ianao ho vadiny, izy ho vadinao.

14Ary raha avy izay tsy hankasitrahanao azy intsony, dia avelao izy handeha amin’izay tiany, fa tsy ho azonao amidy vola, tsy hoentina toy ny andevo, satria efa novinadinao izy.»

Fizokiana

15«Raha misy lehilahy nampirafy roa, ka ny iray tiany, ny iray halany, ary samy miteraka zazalahy aminy, na ilay tiany, na ity halany, ary ny zanany lahimatoa dia naterak’ity halany,

16dia tsy azony atao lahimatoa ny zanak’ilay tiany ho solon’ny zanak’ilay halany amin’ny andro andidiany ny fananany ho an-janany, satria izy no tena lahimatoa.

17Fa ny zanak’ity tsy tiany ihany no hataony lahimatoa, sy homeny anjaran-droa amin’ny ananany rehetra, satria santatry ny fahatanjahany io zanany io, ka an’io ny fizokiana.»

Zanaka manohitra

18«Raha misy olona manan-janaka lahy maditra sy manohitra, tsy henoiny akory izay feon-drainy na feon-dreniny, ary na faizin’ireo aza izy dia tsy henoiny,

19dia hosamborin-drainy aman-dreniny izy, ka hoentiny amin’ny loholon’ny tanàna, eo am-bavahadin’ny fitoerana onenany,

20ary holazainy amin’ny loholon’ny tanàna hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra, tsy mihaino ny feonay, fa manaram-po amin’ny fahalotoana amam-pimamoana.

21Dia hitora-bato azy ny olona rehetra eo an-tanànany ka ho faty izy. Ary izany no hamongorana ny ratsy eo afovoanao, ary handre izany i Israely rehetra ka hatahotra.»

Fepetra samihafa

22«Raha misy olona manao heloka mahafaty, ka novonoina sy nahantona amin’ny hazo,

23dia tsy hiloaka alina eo ambony hazo ny fatiny, fa tsy maintsy alevinao mihitsy androtr’iny ihany, satria hiharan’ny fanozonan’Andriamanitra ny faty mihantona, ka aza lotoina ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lova.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help