1Henoy ny teny lazain’i Iaveh aminareo,
ry taranak’i Israely: Izao no lazain’i Iaveh:
2«Aza mianatra ny lalan’ny firenena,
ary aza mety matahotra izay famantarana eny an-danitra,
toy ny atahoran’ny firenena azy.
3Fa zava-poana ny fanaon’ny firenena;
hazo nokapaina tany an’ala,
taozavatra nataon’ny tanan’ny mpisokitra,
sary tamin’ny fandraka,
4ka ravahana amin’ny volafotsy sy volamena.
Homboana amin’ny fantsika, velezina amin’ny tantanana izany,
mba tsy hihetsiketsika,
5Sahala amin’ny andry voavaofy tamin’ny milina fandrafetana
ireny andriamanitra ireny
ka entin’olona, fa tsy afa-mandeha.
Aza matahotra an’ireny, fa tsy mahay manisy ratsy izy;
ary indrindra koa tsy mahay manisy soa.»
6Tsy misy toa Anao, Iaveh ô;
lehibe Ianao, ary lehibe amin-kery ny Anaranao.
7Zovy no tsy hatahotra Anao;
ry mpanjakan’ny firenena ô,
Ianao tsy maintsy atahorana.
Fa amin’ny hendry rehetra eo amin’ny firenena,
sy eo amin’ny fanjakany rehetra,
tsy misy tahaka Anao.
8Adala sy ketrina avokoa izy rehetra;
fampianaran-java-poana; dia hazo!
9Volafotsy voatefy avy any Tarsisa,
volamena avy any Ofaza;
asan’ny mpisokitra sary, asan-tanan’ny mpanefy volamena!
Tafîna jaky volomparasy sy mena izany;
asan-tanan’ny mpahay zavatra avokoa izy ireny.
10Fa i Iaveh kosa dia tena Andriamanitra tokoa;
Izy dia Andriamanitra velona,
sy Mpanjaka mandrakizay;
ny tany mihorohoro amin’ny fahatezerany;
ary ny firenena tsy mahatanty ny fahavinirany.
11Izao no holazainareo amin’ireny:
Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany,
dia hofongorana eto an-tany sy atỳ ambanin’ny lanitra.
12Fa Izy no nanao ny tany tamin’ny heriny;
nampiorina izao tontolo izao, tamin’ny fahendreny;
ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany.
13Raha miteny Izy, dia miangona eny an-danitra ny rano;
mampiakatra ny rahona, avy any amin’ny faran’ny tany;
mampanjelatra ny helatra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra;
ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fitahirizany.
14Ketrina avokoa ny olona na iza na iza, sady very hevitra;
menatra noho ny amin’ny sampiny koa ny mpanao azy,
fa fitaka foana ny sary anidina nataony,
tsy manam-pofon’aina akory ireny.
15Zava-poana sy asa famitahana ireny;
ho levona izy amin’ny andro famaliana azy ireo.
16Tsy toy izany ny anjaran’i Jakôba;
fa Izy dia Ilay namorona an’izao rehetra izao;
ary i Israely no firenena lovany;
i Iavehn’ny tafika no Anarany.
Hatairana tao an-tanàna17Angony ny entanao amin’ny tany,
ry ilay afahirano!
18Fa izao no lazain’i Iaveh:
«Indro hatsipiko lavitra amin’izao
ny mponina amin’ny tany,
hotereko mafy izy,
mba ho tratry ny fahavalo.»
19Loza ho ahy noho ny fahamangànako:
manaintaina ny feriko; nefa hoy aho:
Eny, anjara fahoriako izao, ka hozakaiko.
20Ny laiko rava; ny kofehin-daiko, tapaka avokoa;
ny zanako nandao ahy, tsy misy intsony izy ireo;
tsy misy olona intsony, hanangana indray ny laiko,
sy hanorina indray ny tranolaiko.
21Indrisy, ketrina ireo mpiandry ondry;
tsy nitady an’i Iaveh izy;
koa tsy nambinina akory izy,
dia naely avokoa ny biby andrasany.
22Misy tsaho sy siosion-teny! Injany tamy izy,
misy tabataba be avy amin’ny tany avaratra,
hanova ny tanànan’i Jodà ho efitra,
sy fieren’amboadia!
Vavak’i Jeremia23Fantatro, ry Iaveh ô,
fa tsy ny olombelona ny tompon’ny lalany,
tsy mba an’ny olona mandeha, ny manitsy ny diany.
24Iaveh ô, faizo aho, nefa aoka ho ara-drariny,
fa tsy araka ny hatezeranao,
fa ataonao zary tsinontsinona aho.
25Ny firenena tsy mahalala Anao no rotsahy ny fahatezeranao,
dia ny vahoaka tsy miantso ny anaranao;
fa nolanîny i Jakôba dia nolanîny,
vitainy izy, ary ny fonenany ravany!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.