Jenezy 4 - Malagasy Catholic Bible

I Kaina sy i Abela

1Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe: «Efa nampisy olona anankiray aho tamin’ny fanampian’i Iaveh.»

2Dia niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy. I Abela dia mpiandry ondry ary i Kaina dia mpiasa tany.

3Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany i Kaina ho fanatitra ho an’i Iaveh.

4Ary i Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak’ondriny, mbamin’ny taviny. Ary i Iaveh nitsinjo an’i Abela sy ny fanatiny,

5fa tsy nijery an’i Kaina sy ny fanatiny. Dia tezitra mafy tamin’izany i Kaina, ary kivy endrika izy.

6Ary hoy i Iaveh tamin’i Kaina: «Nahoana no tezitra ianao, ary nahoana no kivy endrika?

7Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahina va ianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy manapaka azy kosa ianao.»

8Hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny: «Andeha isika ho any an-tsaha.» Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo, namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy.

9Dia hoy i Iaveh tamin’i Kaina: «Aiza i Abela rahalahinao?» Fa hoy ny navaliny: «Tsy fantatro. Moa mpiambina ny rahalahiko va aho?»

10Hoy i Iaveh: «Inona no nataonao? Fa mitaraina hatraty amiko ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.

11Amin’izao dia voaozon’ny tany ianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tananao.

12Rehefa hiasa ny tany ianao dia tsy hanome vokatra intsony izy, ary ianao ho mpanjenjena sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany.»

13Dia hoy i Kaina tamin’i Iaveh: «Lehibe loatra ny saziko ka tsy zakako efaina.

14Indro roahinao hiala amin’ity tany ity aho ankehitriny ary ho takona ny tavanao aho, lavitra Anao; ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin’ny tany aho, ary na iza na iza hahita ahy, hamono ahy.»

15Hoy i Iaveh taminy: «Izao àry: Raha misy hamono an’i Kaina dia valiana faty impito heny i Kaina.» Ary nasian’i Iaveh famantarana tamin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy.

16Raha efa izany dia niala teo anatrehan’i Iaveh i Kaina, ka nonina tany amin’ny tany Nôda, atsinanan’i Edena.

Ny taranak’i Kaina

17I Kaina nahalala ny vadiny ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Enôka; ary nanomboka nanorin-tanàna anankiray i Kaina ka nantsoiny hoe Enôka, araka ny anaran-janany.

18I Irada no naterak’i Enôka, ary i Irada niteraka an’i Maviaela; i Maviaela niteraka an’i Matosaela; i Matosaela niteraka an’i Lameka.

19Nampirafy roa i Lameka; Adà no anaran’ny anankiray, ary Selà no anaran’ilay faharoa.

20I Adà niteraka an’i Jabela; izy no rain’ireo mpitoetra an-day sy ao afovoan’ny biby fiompy.

21Ny anaran’ny rahalahiny Jobala; izy no rain’izay rehetra mpitendry valiha sy mpitsoka sodina.

22I Selà kosa niteraka an’i Tobal-Kaina izay mpanefy fiasana maranitra isan-karazany na varahina na vy. Ny anaran’ny anabavin’i Tobal-Kaina dia Noema.

23Ary hoy i Lameka tamin’ireo vadiny:

«Mandrenesa ny feoko, ry Adà sy Selà;

Henoy ny teniko, ry vadin’i Lameka:

Nahafaty lehilahy iray aho, noho ny feriko;

Ary tovolahy iray, noho ny ratrako.

24Hovaliana faty impito heny i Kaina,

ary hovaliana faty impito amby fitopolo heny i Lameka.»

I Seta sy ireo taranany

25Ary i Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy, nataony hoe Seta, ka hoy izy: «Nomen’Andriamanitra ny fara aho ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina.»

26I Seta koa niteraka lahy iray nataony hoe i Enôsy. Vao tamin’izay no nanomboka niantso ny Anaran’i Iaveh ny olona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help