1Izao no nasehon’ny Tompo Iaveh tamiko,
dia indro Izy fa namorona valala,
tamin’ny fotoana vao itsimohan’ny kolokolo,
dia ny kolokolo avy nijinjana ho an’ny mpanjaka.
2Nony tapitra lanin’ireny avokoa ny ahitra amin’ny tany,
dia hoy aho: «Ry Tompo Iaveh ô, mba mamelà heloka!
Ahoana no haharetan’i Jakôba? fa kely izy.»
3Ary nanenina amin’izay i Iaveh.
«Tsy hisy izany» hoy i Iaveh.
Fahitana faharoa: ny afo4Izao no nasehon’ny Tompo Iaveh tamiko:
dia indro tonga i Iaveh hanasazy amin’ny afo,
dia nandevona ny hantsana lehibe ny afo,
sy nandevona ny anjara-lovan’ny Tompo.
5Ka hoy aho: «Mba mitsahara, ry Tompo Iaveh ô!
Ahoana no haharetan’i Jakôba? fa kely izy.»
6Nanenina i Iaveh.
«Tsy hisy izany koa,» hoy ny Tompo Iaveh.
Fahitana fahatelo: ny kofehy pilao7Izao no nasehon’i Iaveh tamiko:
dia indro fa nitsangana teo ambonin’ny rindrina mijoro ny Tompo
ary nisy hofehy pilao teny an-tanany.
8Hoy i Iaveh tamiko: «Inona no hitanao, ry Amôsy?»
Ka namaly aho hoe: «Kofehy pilao».
Dia hoy ny Tompo: «Indro Aho manisy ny kofehy pilao,
eo amin’i Israely vahoakako;
fa tsy hamela ny helony intsony.
9Ny fitoerana avon’i Isaaka ho foanana;
ny fitoera-masin’i Israely horavana;
ary hitsangana hamely ny taranak’i Jerôbôama amin’ny sabatra Aho.»
Fifamaliana tamin’i AmasiasaVoaroaka hiala tao Betela i Amôsy10Ary i Amasiasa, mpisorona ao Betela, naniraka hilaza amin’i Jerôbôama, mpanjakan’i Israely hoe: «Mitetika ny hikomy aminao eo amin’ny taranak’i Israely i Amôsy; tsy zakan’ny tany intsony ny teniny rehetra.
11Satria izao no tenin’i Amôsy: ‹I Jerôbôama ho fatin’ny sabatra; ary i Israely hoentin-ko babo hiala amin’ny taniny.› »
12Dia hoy i Amasiasa tamin’i Amôsy: «Ry mpahita ô, mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Jodà, ka any ianao no mihinàna hanina; any ianao no maminania.
13Fa aza maminany atỳ Betela intsony, satria fitoera-masin’ny mpanjaka ny atỳ, ary tranom-panjakana.»
14Izao no navalin’i Amôsy an’i Amasiasa: «Tsy mba mpaminany aho na zanaky ny mpaminany; fa mpiandry omby sy mpamboly aviavy.
15Ary nalain’i Iaveh tany aorian’ny biby fiompy aho, dia nataon’i Iaveh tamiko hoe: ‹Mandehana ianao, maminany any amin’i Israely vahoakako.›
16Koa ankehitriny, mihainoa ny tenin’i Iaveh ianao: Hoy ianao hoe: ‹Aza maminany ny hamelezana an’i Israely; ary aza miteny ny hamelezana ny taranak’i Isaaka!...›
17Koa izao no lazain’i Iaveh:
‹Ny vadinao hovetavetaina ao an-tanàna;
ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ho lavon-tsabatra;
ny taninao, hozaraina amin’ny famolaina,
ary ianao ho faty eo amin’ny tany maloto;
ary i Israely hoentin-ko babo hiala amin’ny taniny.› »
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.