1Naniraka hazandrano lehibe anankiray i Iaveh hitelina an’i Jônasy; ka tao an-kibon’ny hazandrano i Jônasy, hateloana andro sy hateloana alina.
2Dia nivavaka tamin’i Iaveh Andriamaniny i Jônasy, tao an-kibon’ny hazandrano,
3ka nanao hoe:
«Niantso an’i Iaveh tao anatin’ny fahoriako aho,
ary namaly ahy Izy;
nitaraina aho tao an-kibon’ny Seoly,
ka nihaino ny feoko Ianao.
4Natsipinao tany amin’ny hantsana aho,
dia tany anatin’ny ranomasina,
ka ny riaka nanodidina ahy;
ny alon-dranonao aman’onjanao rehetra
nandeha teo amboniko.»
5Dia hoy aho hoe:
Voaroaka tsy ho eo imasonao aho;
nefa mbola hibanjina ny Tempolinao masina.
6Ny rano nanery ahy hatramin’ny aiko;
ny hantsana be nanodidina ahy;
ny ahi-dranomasina nangeja ny lohako.
7Tafalentika hatrany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho;
ny hidin’ny tany efa voahidy tamiko mandrakizay.
Kanjo Ianao kosa, nampiakatra ny aiko avy any an-davaka,
ry Iaveh Andriamanitro ô!
8Raha reraka tao anatiko ny fanahiko,
dia nahatsiaro an’i Iaveh aho;
ka tonga hatrany aminao ny fivavahako,
hatrany an-tempolinao masina.
9Izay miraiki-po amin’ny zava-poana tsinontsinona
dia mandao ilay fototry ny famonjena.
10Fa izaho kosa, dia amin’ny feo fiderana Anao,
no hanolorako sorona Aminao;
ary ny voady nataoko hoefaiko.
An’i Iaveh ny famonjena!
11Dia nandidy ilay hazandrano i Iaveh,
ka naloan’ny hazandrano teny amin’ny tany i Jônasy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.