1Timote 3 - Malagasy Catholic Bible

Ny tokony ho toetran’ny Pretra

1Tena marina izao teny izao: raha misy maniry ny raharahan’ny Pretra, dia maniry raharaha tsara indrindra izy.

2Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha monja, mahonon-tena, hendry, maotona sy mendrimendrika, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,

3tsy lian-divay, tsy mikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy tia vola,

4mahay mitondra ny ankohonany, sy mampanaiky tsara ny zanany amim-pahamaotonana lavorary;

5fa raha misy tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitondra ny Eglizin’Andriamanitra?

6Tsy zazavao amin’ny fivavahana, fandrao dia mieboebo foana ka latsaka amin’ny fanamelohana nanjò ny demony.

7Ary tsy maintsy ho olona tsara laza amin’ny any ivelany koa, fandrao dia afa-baraka sy voan’ny fandriky ny demony.

Ny tokony ho toetry ny Diakra

8Toy izany koa ny Diakra, dia aoka ho olona maotona, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy tia harena foana,

9mitana ny misterin’ny finoana amim-pieritreretana madio;

10ary aoka hozahan-toetra izy aloha, vao manao ny raharahany, rehefa hita fa tsy manan-tsiny.

11Toy izany koa ny vadiny, dia aoka ho olona manaja tena, tsy mpifosa, mahonon-tena, mahatoky amin’ny zavatra rehetra.

12Aoka ny Diakra ho olona tsy nanambady afa-tsy indray mandeha, sy mitondra tsara ny zanany mbamin’ny ankohonany.

13Fa izay mahatontosa tsara ny raharahany, dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany, sy fahatokiana lehibe amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesoa.

Ny Fiangonana sy ny mistery fototry ny fivavahana

14Manoratra izany aminao aho, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza,

15satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, dia ny Eglizin’Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan’ny marina.

16Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, niseho tamin’ny Anjely, notorina tany amin’ny Jentily, ninoana tamin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help