1Salamon’i Davida.
AlefIanao, ry Iaveh, no anandratako ny fanahiko,
ry Andriamanitra ô!
Bet2Ianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho,
aoka tsy hifalian’ny fahavaloko aho!
Gimel3Tokoa fa tsy hisy ho menatra izay rehetra manantena Anao;
izay mivadika foana dia ireo no ho menatra.
Dalet4Iaveh ô, ampahafantaro ny lalanao aho;
ampianaro ny sakeli-dalanao aho.
He5Tariho amin’ny fahamarinanao aho,
Vaoary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao;
Ianao no antenaiko mandritra ny andro.
Jain6Tsarovy ny famindram-ponao, ry Iaveh,
sy ny hatsaram-ponao, fa mandrakizay ireny.
Het7Aza tsarovanao ny fahotan’ny fahatanorako, na ny hadisoako,
fa tsarovy araka ny famindram-ponao aho,
noho ny hatsaram-ponao, ry Iaveh.
Tet8Tsara sy mahitsy fo i Iaveh;
izany no anoroany lalana ny mpanota.
Iôd9Mampizotra ny manetry tena amin’ny fahamarinana Izy,
mampianatra ny manetry tena ny lalany Izy.
Kaf10Famindram-po amam-pahamarinana avokoa ny lalan’i Iaveh
amin’izay mitandrina ny fanekeny sy ny didiny.
Lamed11Noho ny Anaranao, ry Iaveh,
dia hamela ny heloko Ianao fa lehibe izy.
Mem12Iza no olona matahotra an’i Iaveh?
Hampianarin’i Iaveh azy ny lalana tokony hofidiny.
Non13Mandry amim-piadanana ny fanahiny,
ary hanana ny taniny ny taranany.
Samek14Ny fifankazarana amin’i Iaveh dia anjaran’ny matahotra Azy.
Hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany.
Ain15Mitodika any amin’i Iaveh mandrakariva ny masoko,
fa Izy no hanafaka ny tongotro amin’ny fandrika harato.
Fe16Jereo aho, ka amindrao fo,
fa manirery aho, ka mahantra.
Tsade17Mihalehibe ny fahorian’ny foko,
afaho amin’ny fahaporetako aho!
18Jereo ny fahoriana amam-pijaliako;
ary avelao ny fahotako rehetra.
Resh19Jereo ity hamaroan’ny fahavaloko,
sy izato halozan’ny fankahalany ahy.
Shin20Arovy ny fanahiko, ary vonjeo aho;
aoka tsy ho menatra aho, fa Ianao no nametrahako ny fitokiako.
Tao21Haharo ahy anie tsy fananan-tsiny amam-pahitsiana,
fa Ianao no antenaiko.
22Ry Andriamanitra ô, afaho i Israely
amin’ny fahoriany rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.