1Eh, ry tany izay andrenesana ny fisasasasan’ny elatra,
any an-dafin’ny onin’i Kosa,
2izay mandefa iraka eny ambony ranomasina,
amin’ny lakan-jozoro ambonin’ny vohon-drano!
Mandehana ianareo iraka faingam-pandeha,
mankany amin’ny firenena lava ranjanana
sady malambolambo ny hodiny,
any amin’ny vahoaka atahorana any lavitra any;
firenena manao jadon’ny mpanjaka sy manorotoro,
izay vakivakin’ny ony ny taniny.
3Ry mponina rehetra amin’izao tontolo izao,
ry mponina ambonin’ny tany!
mijere ianareo,
rehefa voatsangana eny an-tendrombohitra ny faneva,
mihainoa ianareo rehefa maneno ny trômpetra.
4Fa izao no nolazain’i Iaveh tamiko:
Hisonanina ato amin’ny fonenako Aho, dia hijery,
toy ny hafanana malefaka raha mamirapiratra ny masoandro,
toy ny ranonando amin’ny hafanam-pararano.
5Fa alohan’ny fijinjana, rehefa tapitra ny famoniana,
ka efa tonga sampaho efa ho masaka ny voniny,
dia hotapahiny amin’ny antsy ny rantsany,
hoesoriny ny sampany dia hotangosany.
6Izy rehetra indray hatolotra ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra
sy ho an’ny biby ambonin’ny tany;
ny vorona mpihaza hihinana azy amin’ny fahavaratra;
ary ny biby ambonin’ny tany koa amin’ny ririnina.
7Amin’izany andro izany, hisy fanatitra haterina amin’i Iavehn’ny tafika,
avy amin’ny vahoaka lava ranjanana sady malambolambo ny hodiny,
amin’ny vahoaka atahorana any lavitra any,
firenena manao jadona sady manorotoro
ary vakivakin’ny ony ny taniny,
ho ao amin’ny fonenan’ny Anaran’i Iavehn’ny tafika,
any an-tendrombohitra Siôna.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.