Izaia 56 - Malagasy Catholic Bible

3. FIZARANA FAHATELON’NY BOKIN’I IZAIARaisin’i Iaveh ny «Prôzelita»

1Izao no lazain’i Iaveh:

Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny,

fa efa akaiky ny famonjeko,

ary efa hiseho ny fahamarinako.

2Sambatra ny olona hanao izany,

sy ny zanak’olombelona hifikitra mafy amin’izany,

ka hitandrina ny sabata, tsy handika azy,

sy hifehy ny tanany tsy hanao ratsy akory!

3Aoka ny hafa firenena efa nifikitra tamin’i Iaveh tsy hanao hoe:

«Hoesorin’i Iaveh marina aho, tsy ho isam-bahoakany,»

ary aoka ny eonòka tsy hanao hoe:

«Indro hazo maina aho!»

4Fa izao no lazain’i Iaveh amin’ny eonòka:

Izay mitandrina ny sabatako

ka hifidy izay sitrako

ary hifikitra mafy amin’ny fanekeko:

5dia omeko fahatsiarovana sy anarana,

tsaratsara kokoa noho izay zanaka lahy sy zanaka vavy

ao an-tranoko sy ao anatin’ny mandako izy;

anarana mandrakizay no homeko azy ka tsy ho levona.

6Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’i Iaveh

mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany, ary ho mpanompony,

izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy,

sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko,

7dia hoentiko ho ao an-tendrombohitra masina,

sy hampifaliko ao an-tranoko fivavahana,

hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorona aman-tsorony:

fa ny tranoko hatao hoe: trano fivavahana

ho an’ny firenena rehetra

8- teny marin’i Iaveh Tompo -

izay mamory ny lasan-ko babo amin’i Israely!

Mbola hamory ny sasany koa Aho ho eo aminy,

hanampy ireo efa voavory sahady.

Ireo filoha tsy mendrika

9Ianareo, biby any an-tsaha rehetra,

avia hihinana;

ary ianareo biby any an’ala rehetra koa!

10Fa ny mpiambina an’i Israely jamba avokoa,

tsy mahalala na inona na inona;

amboa moana avokoa izy rehetra, ka tsy mahavovò;

fa manonofy, mandrimandry, tia torimaso.

11Amboa lian-kanina, tsy mahalala voky.

Mpiandry ondry izy ireo,

tsy mety mahalala na inona na inona!

Samy mandeha amin’ny lalany

araka izay mahasoa ny tenany avy,

hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.

12«Avia ianareo, hoy izy, fa haka divay aho,

ary hiboboka zava-pisotro mahery isika;

ary ny ampitso koa toraky ny anio ihany,

dia ho andro fety lehibe dia lehibe tokoa.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help