Tobia 7 - Malagasy Catholic Bible

7. I Ragoela

1Dia niditra tao amin-dRagoela izy ireo, ka noraisiny tamin-kafaliana.

2Vao nahita an’i Tobia i Ragoela, dia hoy izy tamin’i Anà vadiny: «Akory izany fitovin’ity zazalahy amin’ilay zanak’olo-mianadahy amiko.»

3Avy nilaza izany izy, dia nanao hoe: «Avy aiza moa ianareo, ry zatovo rahalahinay?» Hoy ny navalin’ireo: «Avy amin’ny fokon’i Neftalì, babo any Niniva, izahay.»

4Ary hoy i Ragoela taminy: «Mba fantatrareo va i Tobia rahalahiko?» «Fantatray izy,» hoy izy ireo.

5Ary raha nilaza soa betsaka momba an’i Tobia i Ragoela, dia hoy ny Anjely taminy: «Izay Tobia lazainao izay no rain’ity zazalahy ity.»

6Niaraka tamin’izay dia nihazakazaka nankeny aminy i Ragoela ka nanoroka azy tamin-dranomaso, sy nitomany namihina ny vozony.

7«Hotahina anie ianao, anaka, hoy izy, fa zanak’olona tsara fanahy sy tsara indrindra amin’ny olombelona, ianao.»

8Samy latsa-dranomaso koa i Anà vadiny sy i Sarà zanany vavy.

9Nony avy niresaka teo izy ireo, nampamono ondralahy iray i Ragoela sy nampanamboatra sakafo lehibe dia nanainga azy ireo hipetraka hisakafo.

10Fa hoy i Tobia: «Tsy hihinana na hisotro eto aho anio, raha tsy ekenao ny fangatahako, ka omenao toky aho fa homenao ho vadiko i Sarà zanaka vavinao.»

11Nivadika ny fon-dRagoela nandre izany teny izany, satria fantany ny nanjò azy fito lahy vadin’io, izay nanatona azy, ka raiki-panahiana sahady izy, fandrao dia idiran-doza toy izany koa ity. Mbola tao anatin’izany fisalasalana izany izy, ka mbola tsy namaly ny fangatahan’i Tobia,

12no hoy ity Anjely taminy: «Aza matahotra ny hanome ny zanakao vavy ho vadin’ity tovolahy ity, fa tsy maintsy ho anjara vadin’io matahotra an’Andriamanitra io izy, ka izany no tsy nahazoan’ny hafa rehetra nanana azy.»

13Dia hoy i Ragoela tamin’izay: «Tsy misalasala aho, fa efa noraisin’Andriamanitra teo anatrehany ny vavaka aman-dranomasoko;

14ary mino aho fa Izy no naniraka anareo ho atỳ amiko, mba hanambadian’ny zanako vavy ny havany, araka ny lalàn’i Môizy.» Koa dia aza misalasala intsony fa dia omeko anao izy.

15Dia nalainy ny tanana havanan’ny zanany vavy nataony teo amin’ny tanana havanan’i Tobia ka hoy izy; «Homba anareo anie ny Andriamanitr’i Abrahama, ny Andriamanitr’i Isaaka, ary ny Andriamanitr’i Jakôba, hanakambana anareo anie Izy, ary hampidina ny tso-dranony feno aminareo.»

16Raha efa izany, naka taratasy izy, dia nosoratany ny fanambadian’izy ireo.

17Vita izany, vao nandroso nanao fihinanam-be tamim-pisaorana an’Andriamanitra izy ireo.

18Dia nantsoin’i Ragoela i Anà vadiny, nasainy nanomana efitrano hafa anankiray.

19Ka nentiny nankao i Sarà zanany vavy, izay rafitra nitomany.

20Fa hoy izy taminy: «Matokia tsara, anaka. Ny Tompon’ny lanitra anie hanome hafaliana anao, hisolo ny alahelo efa niaretanao.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help