Mpitsara 4 - Malagasy Catholic Bible

4. I DEBORA SY I BARAKAI Israely ampijalian’ny Kananeanina

1Nony maty i Aoda, dia mbola nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh indray ny zanak’i Israely;

2ka namidin’i Iaveh teo an-tanan’i Jabìna mpanjakan’i Kanaana, izay mpanjaka tao Saôra. I Sisarà no lehiben’ny foloalindahy, ary tao Harôseta-Gôïma izy no nitoetra.

3Nitaraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely fa nanan-kalesy vy sivin-jato i Jabìna, ary nampahory mafy ny zanak’i Israely hatramin’ny roapolo taona.

I Debôrà

4Tamin’izany andro izany dia i Debôrà vehivavy mpaminany, vadin’i Lapidôta no nitsara ny zanak’i Israely.

5Teo ambanin’ny rofian’i Debôrà, anelanelan’i Ramà sy i Betela, amin’ny tendrombohitra Efraima, no nipetrahany hitsara; niakatra ny zanak’i Israely nanatona azy hotsaraina.

6Naniraka olona hiantso an’i Baràka, zanak’i Abinaema, tany Kadesa any Neftalì, izy, ka nanao taminy hoe: «Tsy izao va no didy nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Mandehana mankany an-tendrombohitra Tabôra ianao ary mitondrà lehilahy iray alina amin’ny taranak’i Neftalì sy amin’ny taranak’i Zabolôna hiaraka aminao,

7fa hoentiko ho ao aminao ao amin’ny ranon-driaka Sisaona i Sisarà, lehiben’ny foloalindahin’i Jabìna, mbamin’ny kalesiny sy ny antoko-miaramilany ka hatolotro eo an-tananao».

8Hoy i Baràka taminy: «Raha handeha miaraka amiko ianao, dia handeha aho fa raha tsy handeha hiaraka amiko ianao, dia tsy handeha aho».

9Ka hoy ny navaliny: «Eny àry, handeha hiaraka aminao aho; fa tsy ho anao ny voninahitra amin’izao fanafihana halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hanoloran’i Iaveh an’i Sisarà.» Dia niainga i Debôrà, ka lasa niaraka tamin’i Baràka nankany Kedesy.

10Nantsoin’i Baràka ho any Kedesy i Zabolôna sy i Neftalì, ka nisy lehilahy iray alina no rafitra nanaraka azy; ary i Debôrà nandeha niaraka taminy.

I Hebera Kineanina

11I Hebera ilay Kineanina, dia nisaraka tamin’ny Kineanina taranak’i Hôbada, zaodahin’i Môizy ka nilasy hatrany amin’ny aoka any Senima, akaikin’i Kedesy.

Ny naharesen’i Sisarà

12Nilazana i Sisarà, fa niainga i Baràka zanak’i Abinôema nankany amin’ny tendrombohitra Tabôra,

13ka nasainy nentina avy tany Harôseta-Gôïma ny kalesiny vy sivin-jato mbamin’ny vahoaka rehetra izay tao aminy, ho ao amin’ny ranon-driaka Sisaona.

14Tamin’izay dia hoy i Debôrà tamin’i Baràka: «Mitsangàna, fa anio no andro anoloran’i Iaveh an’i Sisarà ho eo an-tananao. Moa tsy nivoaka teo alohanao va i Iaveh?» Koa nidina avy any an-tendrombohitra Tabôra, i Baràka, ary lehilahy iray alina no nanaraka azy.

15Ary i Sisarà mbamin’ny kalesiny rehetra sy ny tafiny rehetra dia nampifanaritahin’i Iaveh tamin’ny lelan-tsabatra teo anoloan’i Baràka, ka nidina niala tamin’ny kalesiny i Sisarà, dia nandeha an-tongotra nandositra.

16Nenjehin’i Baràka hatrany Harôseta-Gôïma, ny kalesin’ny tafika ka lavony tamin’ny lelan-tsabatra avokoa ny tafik’i Sisarà rehetra, fa tsy nisy niangana na dia lehilahy iray aza.

Ny nahafatesan’i Sisarà

17I Sisarà dia nandositra an-tongotra ho ao amin’ny lain’i Jahela vadin’i Hebera Kineanina; fa nihavana i Jabìna mpanjakan’i Asôra sy ny fianakavian’i Hebera Kineanina.

18Nivoaka i Jahela hitsena an’i Sisarà ka nanao taminy hoe: «Mandrosoa, tompoko, mandrosoa atỳ amiko fa aza matahotra.» Dia nandroso aminy tao an-day izy, ka nafeniny tao ambany firakofana.

19Ary hoy izy taminy: «Raha sitrakao mba omeo rano kely aho hosotroiko, fa mangetaheta.» Dia nosokafany ny siny hoditra fasian-dronono ka nomeny azy hisotroany dia norakofany izy.

20Hoy ralehilahy taminy: «Mitoera eo am-baravaran’ny lay ianao, ka raha misy olona tonga manontany anao manao hoe: Misy lehilahy va ato? dia valio hoe: Tsia».

21Fa nalain’i Jahela vadin’i Habera kosa ny tsima-day, nataony an-tanana ny tantanana, ary nitsaitsaika nanatona azy izy, dia natsatony tamin’ny fihirifany ny tsimatra, ka tafagorobaka tamin’ny tany, fa renoky ny torimaso izy azon’ny hasasarana mafy; dia maty izy.

22Ary indro kosa fa nanenjika an’i Sisarà i Baràka ka nivoaka hitsena azy i Jahela, ka nanao taminy hoe: «Avia, fa hasehoko anao ny lehilahy tadiavinao.» Dia niditra tao aminy izy, ka hitany maty niampatra teo i Sisarà, ary ny tsima-day teo amin’ny fihirifany.

23Tamin’izany andro izany no nanetren’Andriamanitra an’i Jabìna mpanjakan’i Kanaana, teo anoloan’ny zanak’i Israely.

24Ary nihahery nanampatra ny tanany tamin’i Jabìna, mpanjakan’i Kanaana, ny zanak’i Israely, mandra-pandevony an’i Jabìna mpanjakan’i Kanaana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help