1Tamin’izany, azon’i Makabeo sy ny namany indray ny tempoly sy ny tanàna, noho ny fanampian’ny Tompo.
2Noravany ny ôtely natsangan’ny hafa firenena teo an-kianja mbamin’ny hazo masina.
3Raha efa izany, nodioviny ny tempoly dia nanangana ôtely hafa izy, ary namelona afo tamin’ny vato kilonjy izy, dia naka tamin’izany afo izany, ka nanatitra sorona, sy nandoro ny emboka hanetona, fa roa taona izay no niatoany, dia narehiny ny jiro, napetrany teo ambony latabatra ny mofo alahatra.
4Vita izany dia nihohoka tamin’ny tany izy nivavaka tamin’ny Tompo, mba tsy hampidi-doza toy izany aminy intsony; nangataka izy mba hofaizany araka ny mety, raha mbola manota ihany, fa hatolony amin’ireo firenena mpankahala ny fivavahana sady barbarianina.
5Tamin’ny andro faha-25n’ny volana Kasleo no nandotoan’ireo hafa firenena ny tempoly, ary sendra io andro io koa no nanadiovana azy.
6Ary nanao fety nandritra ny havaloana toraka ny fanao amin’ny tabernakla izy ireo, nahatsiaro fa vao andro vitsy talohan’izay, dia tany an-tendrombohitra, tao anaty zohy ireo no nitoetra tamin’ny fetin’ny Tabernakla, toy ny biby dia.
7Ka dia nitondra tirsa sy sampan-kazo aman-tsampan-drofia izy ireo, sady nanao hira fankalazana an’ilay nitondra azy soa aman-tsara hanadio ny tempoly.
8Ary nataony didy voaantso ampahibemaso ary lalàna, ny hankalazan’ny firenena Jody rehetra isan-taona izany andro izany.
6. TOLONA NATAON’NY JODÀ TAMIN’IREO VAHOAKA AKAIKY SY I LISIASA MINISTR’I EOPATORANaetry i Ptôlemea Makrôna9Toy izany àry no andinidiniky ny nahafatesan’i Antiôkosy ilay natao hoe Epifana;
10Dia indro asehonay kosa izao ny momba an’i Antiôkosy Epatôra, zanak’io mpankahala ny fivavahana io, hotantaranay fohifohy ny loza vokatry ny ady.
11Nony tonga teo amin’ny seza fiandrianana izy, dia nametraka an’i Lisiasa anankiray izay, ho lohan’ny raharaha; ary io koa no voatendry ho komandy ambony indrindra amin’ny tafika any Sele-Siria sy Fenisia.
12Fa i Ptôlemea natao hoe koa Makrôna no voalohany nanaraka ny rariny tamin’ny Jody, noho ny hamafin’ny nanjò azy ireo ary nikely aina hitondra azy amim-piadanana.
13Kanjo izany indrindra no niampangan’ireo sakaizan’ny mpanjaka azy teo anatrehan’i Epatôra, sady isak’izao misy zavatra kely izao, reny antsoina hoe mpamadika ihany izy, noho izy nandao an’i Sipra izay napetrak’i Filometora taminy sy niandany tamin’i Antiôkosy Epifana, ka tsy nanana afa-tsy fiandrianana tsy misy hajany intsony, dia nanary toky izy, ka namono tena tamin’ny poizina.
I Gorjiasy namely ny trano mimandan’ny Idomeanina(Jereo 1Mak 5,1-8)14Ary i Gorjiasy izay tonga lehiben’ny miaramila tamin’ireo faritany ireo, dia naka miaramila hafa firenena, sy nanararaotra mandrakariva izay azony iadiana amin’ny Jody.
15Ny Idomeanina, tompon’ireo trano mimanda tsara koa tetsy andanina, nanorisory ny Jody; noraisiny ireo natosika hiala ao Jerosalema; nataony izay hahavelona ny ady.
16Ry i Makabeo sy ny namany, nony avy nivavaka sy nangataka tamin’Andriamanitra hanampy azy, dia niroatra namely ireo trano mimanda, nataon’ny Idomeanina.
17Nanihiny tamin-kerim-po ireo, ka azony terỳ; natosiny avokoa izay niady teo ambony manda, novonoiny daholo izay rehetra sehatra ny tanany, tsy latsaky ny 20.000 ny isan’ny maty.
18Nisy 1000 lahy koa raha dia kely no nialoka tao amin’ny tilikambo roa mafy dia mafy, nanana izay ilainy rehetra hanohanana ny fahirano.
19I Simôna sy i Josefa mbamin’i Zakea sy ny namany, ampy isa tsara, no navelan’i Makabeo hampikoy an’ireo, dia lasa nankany amin’izay nisy nahamaika izy.
20Kanjo lian-karena loatra ny miaramilan’i Simôna ka nanaiky hosisihan’ny sasany tao anatin’ny tilikambo vola, dia nandray 70.000 drakma ka navelany nandositra ny sasany taminy.
21Nony nolazaina tamin’i Makabeo izany zava-niseho izany, novoriny ny filohan’ny vahoaka, dia nampangainy ireo olona ireo, fa namidy amam-bola ny rahalahiny, satria nalefany handeha ny fahavalo nitam-piadiana hamelezana azy.
22Raha efa izany nasainy novonoin-ko faty ireo mpamadika ireo, dia afany niaraka tamin’izay ireo tilikambo roa.
23Fatratra ny nitondrany ny raharahan’ny ady, ka mihoatra noho ny 20.000n-dahy no matiny tamin’ireo trano mimanda roa ireo.
I Jodà mamely an’i Timoteo ary maka ny tanàna Gazàra24I Timoteo ilay resin’ny Jody teo aloha kosa namory miaramila betsaka hafa firenena sy naka mpitaingin-tsoavaly betsaka tany Asia, dia nandroso haka an’i Jodea tamin’ny ady indray.
25Nony mby akaiky izy, ny mivavaka tamin’Andriamanitra no nataon’i Makabeo sy ny namany; nohosenany lavenona ny lohany, nosikinany lasàka ny valahany;
26niankohoka teo am-pototry ny ôtely izy, nangataka tamin’ny Tompo homba azy ireo, sy ho fahavalon’ireo fahavalony ary ho rafin’ireo rafiny, sy hanohitra an’ireo manohitra azy, araka ny fampanantenan’ny lalàna.
27Vita ny fivavahany dia noraisiny ny fiadiany, ka nivoaka ny tanàna izy sy lasa lavitra ihany; efa mby teo akaikin’ny fahavalo vao nijanona.
28Vao nazava ny andro, dia rafitra ny adin’izy roa tonta; ireto ankilany moa, fanampin’ny herim-pony dia ny fangatahana tamin’ny Tompo no antoky ny fahombiazany amam-pandreseny; iretsy andaniny kosa tsy naka mpitarika azy tamin’ny ady afa-tsy ny fisafoahany.
29Nony efa mafy indrindra ny ady, indreo niseho teny an-danitra tamin’ny fahavalo ireto olona dimy lahy mamirapiratra nitaingin-tsoavaly voaisy sakam-bavany volamena, ary tonga nitarika ny Jody.
30Nataon’ny roa tamin’izy ireo teo afovoany i Makabeo, dia nambenany tsy haratra, nosaronany tamin’ny fiadiany; niaraka tamin’izay, dia nalefany ny zana-tsipìka sy ny varatra, nojanjanany ny fahavalo, izay efa jenjina sy nivadi-po ka lavo nifanaritaka.
31Miaramila an-tongotra 20.500, sy an-tsoavaly 600 no maty tamin’izany.
32I Timoteo nandositra tao an-tanàna anankiray mafy dia mafy atao hoe Gazàra, notapahin’i Sereasa.
(Jereo 1Mak 13,43-48)33Fa i Makabeo sy ny namany kosa, nanao fahirano azy tamin-kafanam-po sy hafaliana nandritra ny hefarana.
34Nitoky tamin’ny hamafin’ny tanàna ny nafahirano, ka tsy nitsahatra ny niteny ratsy an’Andriamanitra sy namoaka vava fankahalana ny fivavahana.
35Vao nipoaka ny andro fahadimy, dia nisy zatovolahy 20 tamin’ny miaramilan’i Makabeo nirehi-pahatezerana tamin’izany fitenenan-dratsy an’Andriamanitra izany, ka niantoraka tamin-kasahiana nananika ny manda sy namono izay teo anoloany rehetra, tamin-kerim-po, toy ny liona.
36Dia niakatra koa ny sasany ka namely ny nafahirano tandrifiny, nodorany ny tilikambo, ary nandrehitra kitay hazo izy nandorany velona an’ireo mpiteny ratsy an’Andriamanitra; ny hafa kosa namaky ny vavahady sy nanokatra lalana hidiran’ny tafika sisa, izay nahazo ny tanàna.
37Trany niery tao amin’ny lavaka famorian-drano anankiray i Timoteo ka novonoiny ho faty, toy izany koa i Seresa, rahalahiny sy i Apôlôfàna.
38Nony vita izany asan-kerim-po izany, dia nanao hira fiderana amam-pankalazana izy ireo, nisaotra ny Tompo izay nanao zava-dehibe ho an’i Israely, sy nanome fandresena azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.