Ekleziastika 12 - Malagasy Catholic Bible

Ny soa atao(Jereo Mt 5,43-48; Lk 14,12-14)

1Raha manao soa ianao, fantaro izay hanaovanao azy,

dia hankasitrahin’ny olona ny soa ataonao.

2Manaova soa amin’ny olona tia vavaka

dia hahita valisoa ianao,

na tsy aminy aza dia amin’ny Tompo kosa.

3Ny soa atao tsy mba ho an’izay mikiribiby amin’ny ratsy,

na ho an’izay tsy mba manaraka ny fanaovan-tsoa.

4Ny olona tia vavaka no omeo, fa aza izay mpanota no ampianao.

5Manaova soa amin’izay voaetry

ary aza manome izay mpankahala fihavanana;

mandava tsy hanome mofo azy, ka aza omenao,

fandrao tonga matanjaka noho ianao izy amin’izany;

fa hovaliany ratsy avo sasaka,

ny soa rehetra nataonao taminy.

6Ny Avo Indrindra koa, mankahala ny mpanota;

ary hanisy famaliana ny mpankahala ny fivavahana.

7Ny olona tsara fanahy no omeo, fa aza manampy ny mpanota.

Ny Sakaiza tsara sy ny sakaiza manody(Jereo Ekl 6,5-17)

8Ny sakaiza tsy manao izay hahamendrika azy hosazina, amin’ny fanambinana;

ny fahavalo, tsy mamitsaka, amin’ny fahoriana.

9Raha miadana ny olona, misaona ny fahavalony;

idiran-doza izy, na ny sakaizany aza mihataka.

10Aza matoky ny fahavalonao, na oviana na oviana;

fa toy ny varahina saron’ny harafesina ny hasomparany.

11Na mody manetry tena sy manjoko famindra aza izy,

mitandrema sy miarova tena aminy,

dia ho tahaka an’izay mandambolambo fitaratra ianao, ho azy,

ary ho hitanao fa tsy misy harafesina hatramin’ny farany izy.

12Aza apetraka eo anilanao izy;

fandrao aongany ianao, dia alainy ny fitoeranao;

aza asaina mipetraka eo ankavananao izy,

fandrao dia tadiaviny hitoerana ny fitoeranao,

ka amin’ny farany, nony hahalala ny hamarinan’ny teniko ianao,

dia hanana alahelo amin’ny fahatsiarovana ny teniko.

13Iza no hangoraka izay mpanao fankatoavana,

voakaikitry ny menarana,

na izay rehetra manatona ny biby masiaka?

14Torak’izany koa izay manao fikambanana amin’ny mpanota

sy miombona amin’ny fahotany.

15Miara-mitoetra aminao ora iray izy,

fa raha mihataka ianao, tsy hihazona izy.

16Ny fahavalo dia malefaka am-bava,

nefa ao am-pony dia izay hamarinany anao an-davaka, no saintsaininy.

Ny ranomaso, mitrahotraho amin’ny masony,

nefa ny ranao no mahaliana azy, raha misy hahazoany mandatsaka azy.

17Raha tra-doza ianao, dia hahita azy eo anoloanao,

ary hody hamonjy anao izy, kanjo hamingana anao;

18hihifikifi-doha sy hiteha-tanana izy nony efa izany,

tsy hitsahatra ny hitakoritsika, dia hanao endrika hafa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help