1Nony nitsaha-niteny ireo, nentin’ny hatezerana i Hôlôferina ka hoy izy tamin’i Akiora:
2«Noho ianao mitsangan-ko mpaminany, ka manambara aminay fa harovan’ny Andriamaniny ny vahoakan’i Israely, dia tiako haseho anao kosa fa tsy misy andriamani-kafa afa-tsy i Nabokodonozora ihany.
3Koa rehefa ataonay indray mamely toy ny olona iray monja ireo, dia ho fatin’ny sabatry ny Asirianina mbamin’ianao koa, ary ho indray levona aminao i Israely rehetra.
4Ho fantatrao amin’izany fa i Nabokodonozora no tompon’ny tany rehetra. Amin’izay, ny sabatry ny miaramilako hahatrobaka ny valahanao, ianao hitsingidina voatrobaka, eo afovoan’ny voaratra amin’i Israely, ka tsy hiaina intsony mandra-paharinganao miaraka amin’ireo.
5Raha inoanao ho marina ny faminanianao, atsaharo ity tarehy kivikivy, ary raha heverinao ho tsy mety tanteraka ny teniko, halaviro hiala aminao ity hatsatratsatra mandrakotra azy.
6Mba hahafantaranao tsara anefa fa hiara-maty amin’ireo ianao, dia hakambana amin’ireo vahoaka ireo ianao hatramin’izao ankehitriny izao, mba hiara-mitsingidina aminy, voan’ny famaliako, rehefa ahatran’ny sabatro amin’ireo ny famaizana tandrify azy.»
7Izay dia nomen’i Hôlôferina didy ny mpanompony hisambotra an’i Akiora sy hitondra azy ho any Betolia any, ary hanolotra azy ho eo an-tanan’ny zanak’i Israely.
8Rehefa nisambotra azy ny mpanompon’i Hôlôferina, dia namaky ny tany lemaka, kanjo nony mby teo akaikin’ny tendrombohitra ireo, nivoahan’ny mpandeha antsamotady hamely azy.
9Niolaka ny Asirianina nanaraka ny kisolosolon’ny tendrombohitra; i Akiora kosa nafatony tongotra aman-tanana teo amin’ny hazo anankiray, dia navelany teo, dia niverina ho any amin’ny tompony izy.
10Tamin’izay, nidina avy any Betolia ny zanak’i Israely, ka nony tonga teo aminy, novahany izy, nentiny ho any Betolia, dia nampandrosoiny ho eo afovoan’ny vahoaka, nanontaniany izay antony nandaozan’ny Asirianina azy nifatotra toy izany, teo.
11Tamin’izany andro izany dia i Oziasa zanak’i Mikà, avy amin’ny fokon’i Simeôna, ary i Karmì atao hoe Gôtôniela koa, no lehibe mifehy ny tanàna.
12Koa notantarain’i Akiora avokoa teo afovoan’ny loholona sy teo anatrehan’ny vahoaka rehetra, ny navaliny ny fanontanian’i Hôlôferina,
13ny nitadiavan’ireo fehin’i Hôlôferina hamono azy noho izay nolazainy, ary ny nandidian’i Hôlôferina efa nentin’ny hatezerana, ny hanolorana azy ho eo an-tanan’ny Israelita, noho izany ihany, fa rehefa resiny ny zanak’i Israely dia hovonoiny i Akiora amin’ny fampijaliana maro loha, noho izy nilaza fa ny Andriamanitry ny lanitra no mpiaro azy ireo.
14Nony tapitra ny tenin’i Akiora dia indray nihohoka tamin’ny tany nitsaoka ny Tompo ny vahoaka rehetra, ary indray nandefa ny fitolokoany aman-dranomasony sy namboraka ny fivavahany tamim-piraisam-po, teo anatrehan’ny Tompo,
15nanao hoe: «Ry Tompo Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ô, jereo izany avonavon’ireny, ary hevero ity fietrenay, atodiho ny tavan’ny olonao masina ny masonao, asehoy fa tsy mandao izay mametraka ny fitokiany aminao Ianao, fa manetry izay matoky ny tenany sy mirehareha amin’ny heriny kosa.»
16Nony nitsahatra nitomany ny vahoaka sy efa nandany ny andro manontolo tamin’ny fivavahana, dia nampionona an’i Akiora izy ireo,
17nanao hoe: «Ny Andriamanitry ny razanay, izay nankalazainao fahefana anie hamaly anao amin’izany, ka hampahita anao ho valin’izany ny fandringanana azy ireo.
18Ary rehefa avy izay hanomezan’ny Tompo Andriamanitray izany famonjena izany ny mpanompony, homba anao eto afovoanay anie Andriamanitra, mba hiarahanao monina aminay, araka izay sitrakao, dia ianao sy ny mpianakavinao rehetra.»
19Nony nirava ny vahoaka tafavory teo, dia noraisin’i Oziasa tany an-tranony i Akiora, ka nanaovany fihinanam-be.
20Nasainy koa ny loholona, ka nony tapitra ny fifadian-kanina, dia niara-nihinana izy.
21Raha efa izany, nivory indray ny vahoaka ka niara-nivavaka mandritra ny alina tao amin’ny fitoerana niangonany, niantso vonjy tamin’ny Andriamanitr’i Israely.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.