Mpit 11 - Malagasy Catholic Bible

1Atsipazo eny ambony rano ny mofonao,

fa mbola any ny andro hahitanao azy indray.

2Omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza,

fa tsy fantatra izay loza mety hanjò eto ambonin’ny tany.

3Rehefa feno orana ny rahona,

dia alatsany amin’ny tany izany;

ary raha mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo,

dia izay ianjerany ihany no itoerany koa.

4Izay fatra-pandinika ny rivotra tsy mba hamafy,

ary izay fatra-panadihady ny rahona tsy mba hijinja.

5Toy ny tsy ahalalanao ny lalan’ny rivotra

sy ny fomba fiforonan’ny taolana ao am-bohoka,

no tsy ahalalanao ny asan’Andriamanitra izay manao ny zavatra rehetra.

6Vao maraina dia afafazo ny voanao,

ary ny hariva koa aza avela hitsahatra ny tananao,

fa tsy fantatra izay ho vanona na ity na irỳ,

na samy ho vanona aza izy roa tonta.

4. Ny fahanterana

7Mamy ny fahazavana,

ary mahafinaritra ny maso ny mahita ny mason’andro.

8Na maro toy inona aza ny taona iainan’ny olona,

aoka hifaly izy amin’izany taona rehetra izany

ary aoka hoheveriny ny andro maizina,

fa ho maro izy ireny:

izay mahazo rehetra dia zava-poana avokoa.

9Ry zatovo, mifalia dieny mbola tanora ianao;

aoka hahazo firavoravoana amin’ny fonao ianao amin’ny andron’ny fahatanoranao!

Mandehana any amin’izay lalan’ny fonao,

sy araka izay fijerin’ny masonao.

Fantaro anefa fa izany rehetra izany

dia hiantsoan’Andriamanitra anao hotsaraina.

10Esory ao am-ponao ny alahelo,

ary halaviro ny vatanao ny ratsy,

samy zava-poana ny hatanorana amam-pahamaitsovolo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help