1 Salamon’i Davida.
Manomeza an’i Iaveh, ry zanak’Andriamanitra,
manomeza voninahitra sy fahefana ho an’i Iaveh!
2Omeo an’i Iaveh, ny voninahitry ny Anarany.
Mitsaoha an’i Iaveh amin’ny fanamiana masina.
3Mikotrokotroka any ambony rano be ny feon’i Iaveh,
mampikotrokorana ny Andriamanitry ny voninahitra;
eny ambony rano be i Iaveh.
4Mafy ny feon’i Iaveh;
be voninahitra ny feon’i Iaveh.
5Manorotoro ny sedera ny feon’i Iaveh;
manorotoro ny sedera any Libàna i Iaveh;
6mampitsambikina azy ireo tahaka ny vantotr’ombalahy Izy,
ka mova tsy ny zanak’ombimanga, i Libàna sy i Siriôna.
7Mampitselatra lelafo ny feon’i Iaveh,
8mampihorohoro ny efitra ny feon’i Iaveh,
mampihorohoro ny efitr’i Kadesa i Iaveh.
9Mampiteraka ny serfa vavy ny feon’i Iaveh,
sady mampihintsan-dravina ny ala be;
ary ao an-tempoliny ny zava-drehetra samy milaza hoe: «Voninahitra!»
10Amin’ny safodrano dia mipetraka ao ambonin’ny fiketrahany i Iaveh,
mipetraka ao amin’ny fiketrahany ho mpanjaka mandrakizay i Iaveh.
11Hanome hery ny vahoakany i Iaveh:
hanambina ny vahoakany, amin’ny fanomezam-piadanana azy i Iaveh.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.