1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.
2Sambatra ny miahy ny mahantra,
fa hovonjen’i Iaveh amin’ny andro fahoriana izy.
3Harovan’i Iaveh sy hovelominy izy;
dia ho sambatra ambonin’ny tany,
ary tsy mba hatolotrao amin’ny sitrapon’ny fahavalony.
4I Iaveh hamonjy azy eo am-parafara fijaliany;
havadikao avokoa ny fandriany rehetra eo am-paharariany.
5Hoy aho: «Mamindrà fo amiko, ry Iaveh!
sitrano ny fanahiko, fa nanota taminao aho.»
6Fa ny fahavaloko kosa manonona fanozonana ahy:
«Rahoviana no ho faty io? Rahoviana no ho very ny anaran’io?»
7Nony mba misy mamangy ahy, lainga no hany avoakany,
faharatsiana no angonin’ny fony;
nony mivoaka avy eo indray izy dia miteny eny ivelany.
8Mitakoritsika mamely ahy avokoa ny fahavaloko,
misaina hanisy ratsy ahy izy ireo.
9«Loza tsy azo odiana, hoy izy, no nanjò azy,
indro izy milamaka, dia tsy hiarina intsony.
10Na dia izay olona sakaizako aza,
izay nitokiako sy nihinana ny haniko,
dia nanangana ny ombalahin-tongony hamely ahy.»
11Fa Ianao ry Iaveh, mamindrà fo amiko, areno aho,
dia hamaly azy ireo araka ny tandrify azy.
12Ny hahafantarako fa tia ahy Ianao,
dia raha tsy resin’ny fahavaloko aho.
13Noho ny tsy fananako tsiny dia nanohana ahy Ianao,
ary nampitoetra ahy mandrakizay eo anatrehanao.
14Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely,
amin’ny taona mandrakizay rehetra! Amen! Amen!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.