Izaia 32 - Malagasy Catholic Bible

Ilay mpanjaka manaraka ny marina

1Indro misy mpanjaka hanjaka araka ny rariny;

ary ny mpifehy hitondra araka ny hitsiny.

2Ka izy ireo dia samy ho fiarovana amin’ny rivotra;

ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra;

tahaka ny ranovelona amin’ny tany karankaina;

tahaka ny alo-batolampy eo amin’ny tany foana.

3Ny mason’ny mahiratra tsy hohajambaina intsony,

ny sofin’ny malady, hihaino tsara,

4ny fon’ny maivan-doha, halaky mahazo an-tsaina;

ny lelan’ny mikodedidedika, hahay miteny mazava.

5Ny adala tsy mba antsoina hoe andriana intsony;

ary ny mpihatsaravelatsihy, tsy ho lazaina hoe mahery mahery intsony.

Samy hafa ny adala sy ny andriana

6Satria ny adala miteniteny foana,

ary ny ratsy no imasoan’ny fony,

mba hanaovany zavatra mifanohitra amin’ny fivavahana;

sy hanononany teny diso manohitra an’i Iaveh,

mba hamelany ny fanahin’ny noana hilendalenda fotsiny eo,

sy hanesorany ny fisotro eny amin’izay mangetaheta.

7Ny fiadanan’ny mpamitaka dia enti-mamadika,

mamoron-tsain-dratsy izy io,

hamerezany amin’ny lainga ny olona iva toerana,

ary ny mahantra koa, na dia izay milaza zavatra ara-drariny aza.

8Fa ny andriana manan-kevitra mendrika andriana,

sy hitsangan-kanao asa mendrika andriana.

Ny vehivavy kamo

9Ry vehivavy tsy manahy, mitsangàna,

mihainoa ny feoko!

Ry zazavavy tsy manahy,

mampandria sofina amin’ny teniko.

10Raha afaka herintaona mahery andro vitsy,

dia hangovitra ianareo tsy manahy,

fa ny fiotazam-boaloboka tsy hisy;

ny fanangonam-boa tsy hatao.

11Manàna vadi-po, ry kala mitsilamodamoka!

mangovita, ry kala tsy manahy.

Esory ny fitafianareo sarobidy, mialà akanjo,

misikìna lasàka.

12Migogogogo ny olona mandondon-tratra

ny amin’ny saha mahafinaritra,

ny amin’ny tanimboaloboka mahavokatra!

13Eo amin’ny tanin’ny vahoakako,

tsilo sy hery no maniry,

na dia eo ambonin’ny trano firavoravoana rehetra aza

ao amin’ny tanàna ravoravo.

14Fa ny lapa, nilaozana,

ny tanàna maresaka, zary tany foana;

Ofely sy ny Tilikambo fiambenana,

zary fierem-biby ho mandrakizay,

fikarenjen’ampondra dia,

ary fiandrasana biby fiompy.

Famonjen’i Iaveh

15Mandra-pampidina ho ao amintsika,

ny Fanahy avy any ambony,

ka ny efitra ho tonga saha misy hazo mamoa,

ary ny sahan-kazo mamoa hatao ala:

16Amin’izany, ny hitsiny hitoetra any an’efitra;

ny rariny hiorim-ponenana ao amin’ny sahan-kazo mamoa.

17Ary ny ho vokatry ny fahamarinana dia ny fitsaharana

sy ny fandriam-pahalemana mandrakizay.

18Ny vahoakako honina eo amin’ny toeram-piadanana,

eo amin’ny trano fonenana mahatoky,

eo amin’ny trano fipetrahana mandry feizay.

19Nefa ny ala, haripaky ny havandra;

ary ny tanàna, haetry ambany dia ambany.

20Sambatra ianareo mamafy eny rehetra eny anilan’ny rano,

sy mamela ny tongotry ny omby aman’ampondra, hiriaria.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help