2Mpanjaka 1 - Malagasy Catholic Bible

1Nony maty i Akaba dia niodina tamin’i Israely i Moaba.

2Ary i Okoziasa potraka avy eny am-baravarankely makarakara, teo amin’ny efitranony ambony, any Samaria, ka narary. Nandefa iraka izy, ary nanao taminy hoe: «Mandehana ianareo manontany amin’i Beela-Zeboba andriamanitr’i Akarôna raha ho sitrana amin’ity aretiko ity aho.»

3Fa hoy kosa ny Anjelin’i Iaveh tamin’i Elia Tesbita: «Mitsangàna ianao, ka miakara hitsena ny iraky ny mpanjakan’i Samaria, dia izao no lazao amin’izy ireo: Moa ny tsy fisian’Andriamanitra any amin’i Israely va no andehananareo hanontany amin’i Beela-Zeboba andriamanitr’i Akarôna?

4Noho izany, izao no lazain’i Iaveh: Tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao ianao fa ho faty tokoa.» Dia lasa i Elia.

5Niverina ho any amin’ny mpanjaka ireto irany, ka hoy izy tamin’izy ireo: «Fa nahoana no miverina ianareo?»

6Ary hoy ny navalin’ireo taminy: «Nisy lehilahy niakatra nitsena anay, nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin’ny mpanjaka naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Moa ny tsy fisian’Andriamanitra ao amin’i Israely va no anirahanao hanontany amin’i Beela-Zeboba andriamanitr’i Akarona? Noho izany, tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao ianao, fa ho faty mihitsy.»

7Dia hoy i Okoziasa tamin’izy ireo: «Manao ahoana no endriky ny lehilahy izay niakatra nitsena anareo izay, sy nilaza izany teny izany taminareo?»

8Ka hoy izy ireo: «Lehilahy voloina izay izy, ary nisy fehin-kibo hoditra tamin’ny valahany.» Dia hoy i Okoziasa: «I Elia Tesbita izay.»

9Niaraka tamin’izay, nirahiny ho any aminy ny mpifehy dimampolo anankiray mbamin’ny dimampolo fehiny. Dia niakatra io mpifehy io, nankeo amin’i Elia, ka indro izy nipetraka teo an-tampon-tendrombohitra, ary hoy izy taminy hoe: «Ry olon’Andriamanitra ô! midìna ianao, hoy ny mpanjaka.»

10Fa izao no navalin’i Elia an’ity mpifehy dimampolo: «Raha olon’Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy any an-danitra ny afo handoro anao sy ny dimampolo fehinao.» Dia milatsaka avy any an-danitra ny afo nandoro azy io sy ny dimampolo fehiny.

11Naniraka mpifehy dimampolo hafa indray anefa ny mpanjaka, nomban’ny dimampolo fehiny. Ka dia niteny io mpifehy io nanao tamin’i Elia hoe: «Ry olon’Andriamanitra ô, midìna faingana ianao, hoy ny mpanjaka.»

12Fa hoy ny navalin’i Elia tamin’izy ireo: «Raha olon’Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy any an-danitra ny afo handoro anao sy ny dimampolo fehinao.» Dia nilatsaka avy any an-danitra ny afon’Andriamanitra, ka nandoro an’io sy ny dimampolo fehiny.

13Mbola naniraka mpifehy dimampolo fahatelo io, ka rehefa tonga dia nandohalika teo anatrehan’i Elia, ary niteny taminy tamim-pitarainana hoe: «Ry olon’Andriamanitra ô, mihanta aminao aho, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko sy ny ain’ireto dimampolo lahy mpanomponao.

14Indro fa efa nilatsaka ny afo avy any an-danitra sy nandoro azy roa lahy mpifehy dimampolo talohako, mbamin’ny dimampolo fehiny, fa ankehitriny kosa, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko.»

15Dia hoy ilay Anjelin’i Iaveh tamin’i Elia: «Miaraha midina amin’io, ary aza matahotra eo anatrehany.» Koa niainga izy, ka niara-nidina taminy ho any amin’ny mpanjaka,

16ary nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ianao nandefa iraka hanontany an’i Beela-Zeboba, andriamanitr’i Akarôna: Moa tsy misy Andriamanitra any amin’i Israely izay azo anontaniana ny teniny? -Koa noho izany, dia tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao ianao, fa ho faty mihitsy.»

17Dia maty i Okoziasa araka ny tenin’i Iaveh izay nolazain’i Elia, ka i Jôrama no tonga mpanjaka nandimby azy, tamin’ny taona faharoan’i Jôrama, mpanjakan’i Jodà, zanak’i Jôsafata, fa tsy nanana zanaka izy.

18Ny sisa tamin’ny asan’i Okoziasa mbamin’izay nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help