1Izany no ataon’izay matahotra ny Tompo,
ary izay miraikitra amin’ny lalàna, hahazo ny fahendrena.
2Izy hitsena azy toy ny reny,
ary handray azy toy ny vady virjiny.
3Hamahana azy mofom-pahazavan-tsaina,
ary hampisotro azy ranom-pahendrena.
4Koa dia hiankina aminy izy, ka tsy hiletsy,
hiraikitra aminy ka tsy hahazo henatra.
5Hasandrany eo anatrehan’ny namany izy,
ary hampiloa-bava azy eo amin’ny fivoriana.
6Fifaliana, fehiloha firavoravoana,
ary anarana mandrakizay no ho anjarany.
7Ny adala tsy mba hahazo azy (fahendrena)
ary ny mpanota tsy hahita azy akory.
8Mihataka lavitra ny olona mpiavona izy,
ary ny olona fandainga tsy mihevitra azy akory.
9Tsy ankasitrahina ny fiderana an’Andriamanitra
eo am-bavan’ny mpanota,
satria tsy mba ampitondrain’ny Tompo izany.
10Fa tononin’ny fahendrena ny fiderana,
ka ankasitrahin’ny Tompo izy.
Fahafahan’ny olombelona11Aza manao hoe: «Ny Tompo no anton’ny niviliako.»
fa izay halany, tokony tsy hataonao.
12Aza manao hoe: «Izy no nampivily ahy.»
fa tsy mila izay mpanota akory Izy.
13Halan’ny Tompo ny fahavetavetana rehetra,
ary izay matahotra Azy, tokony tsy ho tia an’izany koa.
14Tamin’ny voalohany, nahary ny olombelona Izy,
ary namela azy eo an-tanan’ny fisainany.
15Raha sitraponao dia hitandrina ny didy ianao,
miankina amin’ny sitraky ny fonao, ny tsy mivadika.
16Nataony eo anoloanao ny afo sy ny rano,
azonao atsotra amin’izay tianao ny tananao.
17Eo anoloan’ny olombelona, ny fiainana sy ny fahafatesana,
ka izay fidiny dia homena azy.
18Fa lehibe ny fahendren’ny Tompo;
sady mahery Izy no mahefa, ary mahita ny zavatra rehetra.
19Ny masony, dia eo amin’izay matahotra Azy,
ary fantany avokoa ny asan’ny olombelona.
20Tsy misy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana,
tsy misy olona nomeny lalana hanota.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.