Estera Grika 16 - Malagasy Catholic Bible

1«I Asoerosy, mpanjaka lehibe, ho an’ny solo-mpanjaka sy ny lehiben’ny faritany 127, hatrany India ka hatrany Etiôpia, ary ho an’izay rehetra manampò ny mahasoa ahy. Arahaba!

2Maro ny olona izay nahazo fiamboniam-boninahitra noho ny fahazavam-po lehiben’ny andriana mpanao soa azy, ka tonga mpirehareha.

3Tsy afa-pon’ny mikezaka hampahory ny vahoakako izy, fa noho izy tsy mahazaka ny havesaran’ny fiamboniana, ny mpanao soa azy indray hanaovany teti-dratsy.

4Tsy ampy ho azy raha ny famalian-tsoa no ataony afaka amin’ny olombelona, fa bontsinin’ny famirapiratry ny harem-be loatra tsy fanany izy, ka ny fitsaràna hamalian’Andriamanitra izay mahita lalandava ny zavatra rehetra avy, no ataony ho azony andosirana.

5Imbetsaka dia imbetsaka, ireo olona izay nomen’ny andriana adidy hitondra ny raharaha noho ny fankasitrahany azy, no nanao teny feno hafetsena ka nampiditra ny filohan’ny fanjakana amin’ny loza tsy azo odiana, ka nampiombona azy aminy handatsa-dra tsy manan-tsiny,

6fa voafitaky ny laingan-kafetsen-dratsy amin’izany, ny hatsoram-pitiavan’ny mpitondra.

7Ary tsy ny tantara taloha ihany araka ny voatsiahiko teo no azonareo ahitana ny asa ratsy, vokatry ny hery mandozan’ireo nampiasa ny fahefana tsy araka ny mety, fa ny fandinihana ny zava-miseho eo akaikinareo no ahitanareo izany mazava kokoa aza.

8Ka tsy maintsy miahy ny ho avy aho, mba ho azo antoka ho an’ny olon-drehetra ny fandriam-peizay amam-piadanan’ny fanjakana,

9manao ny fanovana ilaina aho, mitsara amim-pahamalinana ny zava-mitranga amiko mba handamina izany amin’ny fahamarinana tsy tapaka.

10I Amàna zanak’i Amadatà, Masedôniana, tena hafa firenena amin’ny taranaky ny Persa, tena lavitra ny halemem-panahiko, fantatrareo ny nandraisako azy, araka ny fahaizako mandray vahiny;

11sy ny nahazoany soa araka ny hamoram-po hitondrako ny vahoaka rehetra, ka voaantso ho raiko aza izy ary nahita ny olon-drehetra niankohoka teo anoloany, fa nahazo ny laharam-piamboniana manakaiky indrindra ny fiandrianan’ny mpanjaka.

12Nefa tsy nahay nitondra anjara fiamboniana toy izany izy, ka any amin’ny hanala ahy amin’ny fanjakana sy amin’ny velona no nalehan’ny heviny.

13Nampiasainy avokoa izao hafetsena amam-pitaka rehetra izao, hamonoana an’i Mardokea, izay namonjy ahy sy nanompo ahy mandrakariva, ary i Estera koa izay namako tsy manan-tsiny amin’ny fanjakako, mbamin’ny firenen’izy ireo manontolo.

14Ny nantenainy tamin’izany, dia ny hahazo ny fanjakan’ny Persa ho an’ny Masedôniana.

15Fa ireo Jody, voatolotr’io olona tsy misoro-doza indrindra io hovonoina kosa, dia hitako fa tsy misy hadisoana mahameloka azy, fa manara-dalàna marina indrindra,

16sy zanaky ny Andriamanitra avo indrindra, lehibe indrindra, sy velona mandrakizay, izay mitahiry ity fanjakana ity ho antsika, haharitra amin’ny fandrosoana fatratra indrindra, toy ny nataony ho an’ny razantsika koa.

17Noho izany, tsara ny ataonareo raha tsy asianareo raharaha akory ny taratasy nampitondrain’i Amàna zanak’i Amadatà;

18satria io fototr’izany heloka izany io, dia efa nahantona tamin’ny hazo, teo anoloan’ny vavahadin’i Sosa niaraka tamin’ny ankohonany rehetra, fa namay azy amin’ny famaizana tandrify azy, Andriamanitra Tompon’ny zavatra rehetra, ambony indrindra.

19Aoka hisy kôpian’ity taratasy ankehitriny ity, hapetaka talaky maso amin’ny fitoerana rehetra, ka avelao ny Jody hanaraka malalaka tsara ny lalàny,

20ary ampio izy, mba hahazoany manohitra ireo izay nitsangan-kamely azy, tamin’ny andro fampahoriana, dia ampio izy amin’ny faha-13n’ny volana faha-12, atao hoe Adara, amin’ny indray andro ihany.

21Fa Andriamanitra ilay Tompon’ny zavatra rehetra ambony indrindra efa nanova izany androm-pahoriana izany ho andro fifaliana, ho an’ny taranaka voafidy.

22Aoka àry ianareo koa, hankalaza izany andro izany amin’ny fifaliana isan-karazany, toy ny iray amin’ireo fety manetriketrika fanaonareo ka na ankehitriny na amin’ny ho avy izany, dia

23ho antom-pamonjena ho antsika sy ho an’izay rehetra tafaraiki-po amin’ny Persa, fa ho fahatsiarovana famongorana kosa ho an’izay miray tetika hamely ahy.

24Ny tanàna rehetra, ary ny faritany rehetra, tsy an-kanavaka, izay tsy hanaraka ity didy ity, dia hosimbana amin’ny fisamboaravoaran’ny afo amam-by, ka hatao sady tsy azon’olombelona akekena, no halan’ny biby dia amam-borona koa aza.

Aoka haseho talaky maso eran’ny fanjakana manontolo ny kôpian’ity, mba ho voaoman-kamely ny fahavalony ny Jody amin’io andro voatondro io.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help