Salamo 135 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 135 (Volgata 134)Antsa fideranaAleloia!

1Miderà ny Anaran’i Iaveh,

Miderà Azy ianareo mpanompon’i Iaveh,

2ianareo manao fanompoana ao an-tranon’i Iaveh,

eo an-kianjan’ny tranon’ny Andriamanitsika.

3Miderà an’i Iaveh fa tsara i Iaveh,

mihirà ny Anarany amin’ny harpa, fa mamy tanteraka.

4Fa i Iaveh efa nifidy an’i Jakôba ho Azy,

sy an’i Israely ho lovany.

5Eny, fantatro, lehibe i Iaveh,

ambony noho ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.

6Manao izay tiany rehetra i Iaveh,

eny an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany,

any an-dranomasina sy any amin’ny hantsana rehetra.

7Mampiakatra ny zavona avy amin’ny faran’ny tany izy;

mandefa ny tselatra aman-dranon’orana,

mamoaka ny rivotra avy amin’ny firaketany.

8Namono ny voalohan-terak’i Ejipta Izy fahiny,

hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby.

9Naneho famantarana amam-pahagagana Izy,

teo afovoanao, ry Ejipta,

namelezany an’i Faraôna sy ny mpanompony rehetra.

10Firenena maro no nasiany,

ary mpanjaka mahery no novonoiny:

11i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana,

i Oga mpanjakan’i Basàna,

mbamin’ny mpanjaka rehetra tany Kanaana,

12ka natolony ho lova ny tanin’ireo,

dia ho lovan’i Israely vahoakany.

13Iaveh ô, maharitra mandrakizay ny Anaranao:

Iaveh ô, maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby

ny fahatsiarovana Anao.

14Fa manome rariny ny vahoakany i Iaveh,

ary miantra ny mpanompony Izy.

15Ny sampin’ny firenena dia volafotsy amam-bolamena,

asan-tanan’olombelona.

16Manam-bava fa tsy miteny izy;

mana-maso fa tsy mahita;

17manan-tsofina fa tsy mahare izy,

tsy misy fofon’aina akory aza ny vavany.

18Hanahaka ireny anie ry zareo nanao azy,

na iza na iza mitoky aminy!

19Misaora an’i Iaveh, ry taranak’i Israely!

Misaora an’i Iaveh, ry taranak’i Aarôna!

20Misaora an’i Iaveh, ry taranak’i Levì!

Misaora an’i Iaveh, ianareo matahotra an’i Iaveh!

21Hisaorana avy ao Siôna anie i Iaveh,

izay mitoetra ao Jerosalema!

Aleloia!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help