Fahendrena 4 - Malagasy Catholic Bible

1Aleo ny momba, manan-katsaram-panahy; fa maharitra mandrakizay ny fahatsiarovana azy, satria fantatr’Andriamanitra sy ny olombelona izy.

2Raha eo imaso izy, alain’ny olona tahaka; rehefa tsy eo intsony malahelo azy ny olona; voasatroboninahitra any amin’ny mandrakizay izy, fa nahazo fandresena tamin’ny ady tsy mahaloto.

3Fa ny taranaka maron’ny ratsy fanahy kosa tsy vanon-ko inona; zazasary no fototra iaviany, ka tsy ho latsaka lalina ny fakany; ary tsy ho fanorenana mahatoky no hiorenany.

4Na ho maro sampana maitso vetivety aza izy, noho izy tsy miorina mafy amin’ny tany, dia ho voahozongozon’ny rivotra izy ary ho voaongotry ny ranonoram-baratra mahery.

5Ny sampany, ho folaka an-dantony; ny voany tsy ho vanon-ko inona, fa maisatra tsy fihinana, ary tsy azo atao na inona na inona.

6Satria ny zaza teraka avy amin’ny torimaso maloto dia vavolombelon’ny helo-drainy aman-dreniny raha avy izay hamotorana an’ireo.

Ny olo-marina folaka an-dantony

7Ny marina kosa na maty alohan’ny fotoana aza, mahita fitsaharana.

8Ny fahanterana manan-kaja, tsy dia izay avy amin’ny andro lava iainana, na izay lanjaina araka ny hamaroan’ny taona.

9Fa ny fahamalinana no solon’ny volo fotsy ho an’ny olombelona; ary ny toe-piainana tsy misy tsiny no taonan’ny fahanterana.

10Noho izy nahafaly an’Andriamanitra dia tiany, ary raha niara-belona tamin’ny mpanota izy dia voafindra.

11Nesorina izy, fandrao simban’ny hasomparana ny sainy, na ovan’ny hafetsen-dratsy ny fanahiny.

12Fa mahatakona ny soa, ny fanangolena avy amin’ny haratsiam-panahy, ary manimba ny saina tsotra ny fandrebireben’ny fitongilanan-dratsy.

13Anatin’ny andro vitsy no nahatongavany amin’ny fahalavorariana, ka lalan-davitra no afany.

14Fa nankasitrahin’ny Tompo ny fanahiny, ka izany no nanafainganany ny nanesorany azy teto amin’ny tsy fahamarinana.

15Mahita izany ny vahoaka ka tsy mahalala izay antony, fa tsy mandatsaka an-tsainy izy hoe ny fahasoavana amam-pamindram-pon’Andriamanitra momba ny olom-pinidiny ary miahy ny olo-masiny Izy.

16Ny marina maty anefa manameloka ny ratsy fanahy mbola velona; ary ny fahatongavan’ny tanora faingana amin’ny fahalavorariana manameloka ny olona tsy marina tratra antitra.

17Hahita ny fiafaran’ny hendry izy ireo, fa tsy ho fantany ny hevitr’Andriamanitra ny aminy, na ny antony nampandrian’ny Tompo feizay azy.

18Hahita izy ireo, ka hihomehy, fa mba hihomehezan’ny Tompo kosa izy,

19ary raha efa izany dia hanjary faty tsy misy hajany izy dia ho anisan’ny maty ho afa-baraka mandrakizay. Ny Tompo hanorotoro azy, ary hataony tsy manan-kalahatra izy, dia havariny; hohozongozoniny amin’ny fanorenany, ho ringana avokoa hatramin’ny farany, ho azom-pahoriana izy, ary ho faty ny fahatsiarovana azy.

Ny marina sy ny tsara fanahy eo amin’ny fitsarana

20Ho tonga izy amim-pivadiham-po noho ny fieritreretany ny fahotany, ary hitsangana eo anatrehany ny helony hiampanga azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help