Jeremia 17 - Malagasy Catholic Bible

Helok’i Jodà ara-pivavahana

1Ny fahotan’i Jodà dia voasoratra tamin’ny vy fanoratana

sy tamin’ny fantsika diamondra,

voasokitra eo amin’ny takelaky ny fony izany,

sy eo amin’ny tandroky ny ôtelinareo.

2Toy ny fahatsiarony ny zanany,

no fahatsiarony ny ôteliny aman’aseràny,

eny akaikin’ny hazo maitso

sy eny amin’ny havoana manerinerina eny.

3Ry tendrombohitro izay any an-tany lemaka

hatolotro ho babo avokoa ny fanananao, ny rakitrao,

ny fitoeranao avo, noho ny fahotanao, teo amin’ny faritaninao rehetra.

4Havelanao ho faty foana sady vokatry ny hadisoanao izany,

ny lovako nomeko anao;

hampanompoiko ny fahavalonao

any amin’ny tany tsy fantatrao ianao,

satria narehitrareo ny afon’ny fahatezerako,

ka mirehitra ho amin’ny mandrakizay.

Oha-teny fahendrena

5Izao no lazain’i Iaveh:

«Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona,

sy manao ny nofo ho sandriny,

ary miala amin’i Iaveh ny fony!

6Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy,

ary rehefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany;

honina amin’ny tany karankaina any an’efitra,

any amin’ny tany sira, tsy misy mponina!

7Hohasoavina ny olona mitoky amin’i Iaveh,

sy manantena an’i Iaveh ho tokiny!

8Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy,

mandatsaka ny fakany mankany amin’ny rano mandeha;

tsy matahotra rehefa tonga ny hainandro,

sady maitso ravina mandrakariva;

tsy manahy izay taona fahamainana izy,

ary tsy mitsahatra ny mamoa.

9Mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fo,

sady simba: iza no hahalala azy?

10Izaho Iaveh izay mandinika ny fo,

sy mamantatra ny voa;

ary ny hanaovako izany, dia mba hamaly ny olona araka ny lalany,

sy araka ny vokatry ny asany.

11Tsipoy mikotrika izay atodiny,

toy izany ny olona mahazo harena tsy an-drariny;

fa tsy maintsy mandao izany eny antenantenan’ny androny,

ary ho adala foana no hiafarany.»

Fitokiana ny Tempoly sy fitokiana an’i Iaveh

12Seza fiandrianana be voninahitra, fiamboniana mandrakizay,

fitoeran’ny tranonay masina,

13fanantenan’i Israely, Iaveh ô,

ho menatra izay rehetra mahafoy anao!

Hosoratana amin’ny tany izay miala amiko,

satria nandao ny lohan’ny rano velona, Iaveh, izy ireo.

Vavaka hamaliana ny ataon’ny ratsy(Jereo Jer 15,10)

14Ry Iaveh ô, sitrano aho, dia ho sitrana;

vonjeo aho, dia ho voavonjy;

fa Ianao no fiderako!

15Indreo ry zareo manao amiko hoe:

Aiza izay tenin’i Iaveh? Aoka ho tonga izany!

16Ary izaho tsy mba nandà tsy ho mpiandry manaraka anao;

tsy mba naniry ny andron’ny loza, fantatrao izany;

ny naloaky ny vavako, dia efa teo anatrehan’ny tavanao.

17Aoka tsy ho antom-pahaverezana ho ahy Ianao;

Ianao no aroko amin’ny andro fahoriana.

18Ny mpanenjika ahy no aoka ho menatra;

fa izaho aoka tsy ho menatra.

Izy ireo no aoka hangovitra;

fa izaho aoka tsy hangovitra.

Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana,

ary torotoroy amin’ny fanimbana roa sosona izy.

Fankamasinana ny Sabata(Jereo Eks 20,8)

19Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: «Mandehana ianao mitsangàna eo am-bavahadin’ny zanaky ny vahoaka, izay idirany sy ivoahan’ny mpanjakan’i Jodà; sy eo amin’ny vavahady rehetra ao Jerosalema;

20ka lazao amin’izy ireo hoe:

‹Mihainoa ny tenin’i Iaveh,

ianareo mpanjakan’i Jodà, sy ianareo Jodà rehetra,

mbamin’ireo rehetra mponina ao Jerosalema,

izay miditra amin’ireto vavahady ireto?› »

21Izao no lazain’i Iaveh:

«Tandremo ny fanahinareo;

ka aza mitondra entana amin’ny andro sabata,

ary aza mampiditra izany amin’ny vavahadin’i Jerosalema.

22Aza mamoaka entana avy ao an-tranonareo, amin’ny andro sabata,

ary aza manao taozavatra akory;

hamasino ny andro sabata,

araka ny efa nandidiako ny razanareo.»

23Nefa izy ireny tsy nihaino, na nanongilan-tsofina;

fa nanamafy ny hatony, mba tsy hihaino,

sy tsy handray ny fampianarana.

24«Raha mety mihaino Ahy tsara ianareo,

- teny marin’i Iaveh, -

ka tsy mampiditra entana,

amin’ny vavahadin’ity tanàna ity, amin’ny andro sabata,

ary mankamasina ny andro sabata,

tsy manao na inona na inona amin’izany andro izany,

25amin’izany dia hiditra amin’ny vavahadin’ity tanana ìty,

ny mpanjaka sy ny mpifehy,

mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,

dia hiditra izy ireo mitaingina kalesy aman-tsoavaly,

izy sy ny mpifehy momba azy,

mbamin’ny olona ao Jodà sy ny mponina ao Jerosalema;

ary honenana mandrakizay ity tany ity.

26Ho avy ny olona avy amin’ny tanànan’i Jodà,

sy amin’ny manodidina any Jerosalema,

sy avy amin’ny tanànan’i Benjamina,

amin’ny Sefelà sy amin’ny tendrombohitra ary amin’i Negeba,

hitondra sorona dorana aman-tsorona,

fanatitra aman’emboka manitra,

hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’i Iaveh.

27Fa raha tsy mihaino Ahy ianareo,

tsy mankamasina ny andro sabata,

mitondra entana na iray ihany aza,

raha miditra ny vavahadin’i Jerosalema

amin’ny andro sabata,

dia handrehitra afo eo am-bavahadin’ny tanàna Aho,

handevona ireo lapa ao Jerosalema,

ary tsy ho faty io afo io.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help