Ekleziastika 34 - Malagasy Catholic Bible

Ny nofy

1Fanantenam-poana sy mamitaka no andrandrain’ny adala;

ary ny nofy mampisidina ny ketrina.

2Toy ny mitady hisambotra aloka sy hahataka-drivotra,

ny mandraiki-tsaina amin’ny nofy.

3Zavatra iray araka ny iray hafa, no hitan’ny olona amin’ny nofy;

toy ny sarin’ny tavan’olona anankiray, eo anoloan’ny tavany.

4Inona no madio, mety hipoitra avy amin’ny fahalotoana?

Inona no marina mety hipoitra avy amin’ny lainga?

5Zava-poana ny fanandroana sy ny fambara ary ny nofy,

tahaka ny anjoanjom-pieritreretana ao am-pon’ny vehivavy bevohoka.

6Aza avela hiraikitra amin’izany ny fonao,

afa-tsy raha nirahin’ny Avo Indrindra, amin’ny famangiana.

7Fa efa namily lalana olona maro ny nofy,

ary lavo izay nanankina ny fanantenany taminy.

8Ny lalàna no tanteraka tsy misy fitaka,

toy ny hahatanterahan’ny teny misy fahendrena, aloaky ny vava mahatoky.

Ny dia aleha

9Mahay zavatra betsaka ny olona nahita fianarana;

ary miteny amim-pahendrena ny olona ela nikarohana.

10Izay tsy nozahan-toetra, kely zava-pantatra;

ary izay efa nandeha nivahiny, be fahamalinana.

11Nahita zavatra betsaka aho tany am-pivahiniako,

ka be noho ny teniko ny fahaizako.

12Matetika no efa saika maty aho,

fa voavonjy noho izany fikarohana izany.

Ny sorona

13Ho velona ny fanahin’izay matahotra ny Tompo;

fa amin’ny Mpamonjy azy ny fanantenany.

14Izay matahotra ny Tompo, tsy matahotra na inona na inona,

tsy mangovitra izy fa Andriamanitra no fanantenany.

15Sambatra ny fanahin’izay matahotra ny Tompo!

Iza no iankinany, ary iza no manohana azy?

16Ny mason’ny Tompo dia eo amin’izay tia Azy;

mpiaro mahery Izy, ary fiankinana mafy,

fialofana amin’ny rivotra avy atsinanana,

fialofana amin’ny hainandro mirehitra avy atsimo,

fiambenana amin’ny fanafintohinana, vonjy amin’ny fahalavoana;

17manandratra ny fanahy, manazava ny maso,

manome fahasalamana, fiainana amam-pitahiana Izy.

18Fanatitra vazivazy ratsy,

ny harena azo tsy an-drariny atao sorona;

ary ny vazivazin’ny mpanota,

tsy ankasitrahin’Andriamanitra.

19Tsy ankasitrahin’ny Avo Indrindra

ny fanatitry ny mpankahala fivavahana,

ary tsy ny hamaroan’ny zavatra atao sorona no amelany ny heloka.

20Mamono zanaka eo imason-drainy,

izay manatitra sorona nalaina tamin’ny fananan’ny mahantra.

21Ny mofon’ny malahelo no ain’ny mahantra;

fa izay manala izany aminy, dia mpamono olona.

22Mamono mahafaty namana, izay maka ny fivelomany;

mandatsa-dra izay mitana ny tambin’ny mpikarama.

23Ny iray manorina, ny hafa kosa mandrava;

inona no azon’ireo afa-tsy ny fisahiranana ihany?

24Ny iray mivavaka, ny iray kosa manozona;

ny feon’iza amin’izy roa tonta ireo no hohenoin’ny Tompo?

25Izay misasa, avy nikasika ny maty, mikasika azy indray,

inona no azony tamin’ny nisasany?

26Toy izany ny olona mifady hanina noho ny fahotany,

raha miverina manota indray izy:

iza no hihaino ny fivavahany ary hampaninona azy ny fietreny?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help