Salamo 61 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 61 (Volgata 60)Vavak’olona voasesitany

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Nataon’i Davida.

2Andriamanitra ô, henoy ny fitarainako,

mihainoa tsara ny fivavahako.

3Mitaraina aminao aho atỳ am-paran’ny tany,

ao anatin’ny fahorian’ny foko;

ento any ambony vatolampy tsy azoko takarina aho.

4Fa Fialofako Ianao,

Tilikambo mafy misakana ny fahavalo.

5Satriko ny monina mandrakizay ao an-dainao,

mialoka ao ambanin’ny elatrao.

- Selà

6Fa manaiky ny faniriako Ianao, ry Andriamanitra:

efa nomenao ahy ny lovan’ireo manaja ny Anaranao.

7Ampitomboy andro ny andron’ny mpanjaka,

hihalava hatrany hatrany anie ny taonany!

8Hitoetra eo amin’ny seza fiandrianana mandrakizay anie izy eo anatrehan’Andriamanitra.

Didio hiaro azy ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao!

9Dia hankalaza ny Anaranao mandrakizay aho,

ary hanefa ny voadiko isan’andro aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help