2Mpanjaka 3 - Malagasy Catholic Bible

NY ADY TAMIN’NY MoabitaTeny mialoha ny nanjakan’i Jôrama tamin’i Israely (852-841)

1Tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folon’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Jôrama zanak’i Akaba, ary roa ambin’ny folo taona no nanjakany.

2Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy aman-dreniny tsy akory, satria nesoriny ilay tsangam-baton’i Baala nataon-drainy.

3Fa nikiry tamin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata nampanota an’i Israely izy, ka tsy nialany izany.

Fanafihan’i Israely sy i Jodà an’i Moaba

4Ary nanana biby fiompy i Mesà mpanjakan’i Moaba, ka nandoa zanak’ondry 100.000 sy ondralahy 100.000, mbamin’ny volony koa, ho an’ny mpanjakan’i Israely.

5Nony maty anefa i Akaba dia niodina tamin’ny mpanjakan’i Israely ny mpanjakan’i Moaba.

6Koa nivoaka avy tao Samaria i Jôrama mpanjaka, tamin’izany andro izany, nampanao matso an’i Israely rehetra.

7Niainga nandeha izy, ka nampilaza tamin’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà hoe: «Niodina tamiko ny mpanjakan’i Moaba ka mba hiaraka amiko hiady amin’i Moaba va ianao?» Ary hoy ny navalin’i Jôsafata: «Eny handeha aho, fa ny tenako dia toy ny tenanao ihany, ny oloko dia toy ny olonao, ny soavaliko toy ny soavalinao.»

8Dia hoy koa izy: «Iza no lalana hombantsika?» Ka hoy i Jôrama: «Ilay lalan’ny efitr’i Edôma.»

9Dia niainga ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Jodà ary ny mpanjakan’i Edôma. Nony nandeha lalan-kafitoana izy ireo, dia tsy nisy rano ho an’ny tafika sy ny biby nomba azy,

10ka hoy ny mpanjakan’i Israely: «Indrisy, ny hanolotra azy eo an-tanan’i Moaba no niantsoan’i Iaveh an’ireto mpanjaka telo ireto!»

11Fa hoy kosa i Jôsafata: «Tsy misy mpaminanin’i Iaveh va eto, azontsika anontaniana amin’i Iaveh?» Dia namaly ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny mpanjakan’i Israely nanao hoe: «Eto ihany i Elisea zanak’i Safata ilay nampidina rano tamin’ny tanan’i Elia.»

12Ka hoy i Jôsafata: «Ao amin’izy iny ny tenin’i Iaveh.» Dia nidina nankany aminy ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, ary ny mpanjakan’i Edôma.

13Dia hoy i Elisea tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Mba mitady inona atỳ amiko koa ity ianao? Any amin’ny mpaminanin-dreninao aleha.» Fa hoy ny mpanjakan’i Israely taminy: «Tsia, fa ny hanoloran’i Iaveh an’ireto mpanjaka telo ireto eo an-tanan’i Moaba no niantsoany azy.»

14Ary hoy i Elisea: «Velona i Iavehn’ny tafika izay itsanganako eto anatrehany, fa raha tsy ny fanajako an’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, dia tsy nasiako raharaha akory ianao, na nojereko akory aza.

15Fa izao, angalao mpitendry harpa aho.» Ary nony nitendry ilay mpitendry harpa, dia nanindry an’i Elisea ny tanan’i Iaveh,

16ka hoy izy: «Izao no lazain’i Iaveh: Manaova lavadavaka amin’ity lohasaha ity.

17Fa izao no lazain’i Iaveh: Tsy hahita rivotra ary tsy hahita ranonorana ianareo, nefa ho feno rano ity lohasaha ity, ka hisotro ianareo, dia ianareo sy ny biby fiompianareo ary ny bibinareo.

18Mbola zavatra kely eo imason’i Iaveh anefa izany: hatolony eo an-tananareo i Moaba,

19ka horavanareo ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa indrindra rehetra, hokapainareo ny hazo mamoa rehetra, hotampenanareo ny loharano rehetra, ary hataonareo kila hotohoto amin’ny vato ny tanimboly soa rehetra.»

20Nony maraina, tamin’ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia indro tonga tokoa ny rano, tamin’ny lalan’i Edôma, ka feno rano ny tany.

21Nony ren’ny Moabita rehetra fa niakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nantsoiny ny lehilahy rehetra mahetra ny etran-tsabatra ary mihoatra noho izy ireo aza, ka naka toerana hiadiana teo amin’ny sisin-tany izy.

22Nifoha maraina koa izy ireo, ary nony notarafin’ny masoandro ny rano, dia mena tahaka ny ra no nahitany ny rano tandrify azy.

23Ka hoy izy: «Ra io!» Nifandringana ireo mpanjaka ireo, nifamely izy samy izy, ka babony amin’izao, ry Moabita ô!

24Dia nandroso ho any amin’ny tobin’i Israely izy ireo. Kanjo nitsangana i Israely namely ny Moabita, izay vaky nandositra teo anoloany. Dia nitsofohany nasiana hatrany amin’ny taniny i Moaba.

25Noravany ny tanànany, samy nanipy vato iray tamin’ny tanimboly soa rehetra dia nataony tototra; notampenany ny loharano rehetra; nokapainy ny hazo mamoa rehetra, ary tsy nisy tavela na inona na inona tao Kir-Karoseta afa-tsy ny vato, fa voahodidin’ny mpandefa antsamotady sy nasiany.

26Nony hitan’ny mpanjakan’i Moaba fa tsy tantiny ny ady, dia naka fiton-jato lahy mitan-tsabatra voatsoaka homba azy izy hanavatsava hatrany amin’ny mpanjakan’i Edôma, nefa tsy afa-nanao izany izy ireo.

27Tamin’izay izy naka ity zanany lahimatoa, efa natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho sorona dorana teo ambony manda. Tezitra nisafoaka terỳ i Israely ka nilaozany teo ny mpanjakan’i Moaba fa niverina ho any amin’ny taniny izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help