1Ry Galata adala! iza no dia nandrebireby anareo, nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo i Jesoa mifantsika!
2Izao ihany no tiako ho fantatra aminareo: ny asan’ny Lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fihainoana ny finoana?
3Ahoana no dia mahakely saina anareo loatra toy izany, fa nanomboka tamin’ny fanahy ianareo, ka dia hiafara amin’ny nofo indray ve?
4Dia ho nahafantatra foana zava-mahagaga toy izany va ianareo? Ka asa raha tsy ho foana tokoa!
5Izay manome anareo ny Fanahy, sy mahavita asa lehibe eo aminareo, amin’ny asan’ny Lalàna va no anaovany an’izany, sa amin’ny fihainoana ny finoana?
6Izany tokoa no ilay voasoratra hoe: Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka dia notanana ho fahamarinany izany.
7Koa fantaro àry fa izay amin’ny finoana no zanak’i Abrahama.
8Ary tsinjon’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny Jentily, ka nilaza vaovao mahafaly tamin’i Abrahama izy, nanao hoe: Aminao no hanasoavan’Andriamanitra ny firenena rehetra.
9Dia miara-kasoavina amin’i Abrahama mpino amin’izany, izay amin’ny finoana.
Ny Lalàna loharanon’ozona10Fa izay miankina amin’ny asan’ny Lalàna kosa dia voaozona, araka ny voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra manatanteraka ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny Lalàna.
11Sady hita miharihary raha ny hoe tsy misy olona hamarinina amin’ny Lalàna eo anatrehan’Andriamanitra, satria amin’ny finoana no hiveloman’ny marina.
12Ary ny Lalàna dia tsy amin’ny finoana, fa amin’ny fanatanterahana azy no ahavelomana aminy.
13Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo,
14mba ho tonga amin’ny Jentily, ao amin’i Kristy Jesoa, ny tso-drano nampanantenaina an’i Abrahama; dia horaisintsika amin’ny finoana koa ny fampanantenana ny Fanahy.
Tsy foanan’ny Lalàna ny fampanantenana15Ry kristianina havana, miteny araka ny fanaon’ny olona aho; na ny fanekena ataon’ny olona fotsiny aza, rehefa vita mafy, dia tsy azon’olona foanana na ovana.
16Ary ilay fampanantenana natao tamin’i Abrahama sy ny taranany, izay tsy ataony hoe: ny taranany toy ny milaza maro, fa ny taranakao, hoy izy, toy ny manondro tokana, izany hoe i Kristy,
17dia izao, hoy aho: fanekena mafy efa nataon’Andriamanitra izany, ka raha izay Lalàna natao telopolo amby efajato taona tatỳ aoriana, dia tsy mahafoana izany, na mahafoana ny teny fampanantenana.
18Fa raha ho avy amin’ny Lalàna ny lova, dia tsy ho avy amin’ny teny fampanantenana intsony, nefa teny fampanantenana no nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama hahazoana izany fahasoavana izany.
Anjara asan’ny Lalàna19Naninona àry ny Lalàna? Nanampy fotsiny izy, noho ny fandikana, mandra-piavin’ilay Taranaka nanaovana ny fampanantenana: Anjely no namoaka azy teo an-tanan’ny mpanalalana anankiray.
20Ka izany hoe mpanalalana dia tsy an’ny irery, fa Andriamanitra kosa no irery.
21Manohitra ny fampanantenan’Andriamanitra va àry ny Lalàna? Sanatria izany. Saingy raha Lalàna afaka nahavelona no nomena, dia ny Lalàna ihany no ho niavian’ny fahamarinana;
22Fa nohidian’ny Soratra Masina tao amin’ny fahotana izao rehetra izao, mba ho ny finoana an’i Jesoa Kristy no hahazoan’izay mino, ny fampanantenana.
Fa tonga ny finoana23Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia nohidiana hambenan’ny Lalàna isika, mba ho amin’ny finoana izay efa haseho atỳ aoriana.
24Ny Lalàna àry dia toy ny mpitaiza nitarika antsika eo amin’i Kristy, mba hohamarinina amin’ny finoana isika.
25Koa nony tonga ny finoana, dia tsy fehezin’izay mpitaiza intsony isika;
26fa efa zanak’Andriamanitra amin’ny finoana ao amin’i Jesoa Kristy ianareo rehetra.
27Satria ianareo rehetra natao Batemy ho an’i Kristy, dia nitafy an’i Kristy avokoa.
28Ka tsy misy Jody na Jentily intsony; tsy misy mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa.
29Ary raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama tahaka Azy, ka mpandova araka ny fampanantenana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.