1Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Baltasara, mpanjakan’i Babilôna, nanonofy sy nahita fahitana tao an-tsainy i Daniela, nony tao am-pandriana izy. Dia nosoratany tatỳ aoriana ny nofy, notantarainy ny fotopototry ny zavatra.
2Dia niteny i Daniela ka nanao hoe: «Nahita tamin’ny fahitako tamin’ny alina aho, ka indro nibosesika tamin’ny ranomasina lehibe ny rivotra avy amin’ny vazantany efatra:
3ary niakatra avy eo amin’ny ranomasina ireto biby efatra lehibe samihafa.
4Ny voalohany ohatra ny liona, sady nanana ela-boromahery. Nibanjina teo aho mandra-panongotra ny elany sy nipaohana azy avy tamin’ny tany sy nampijoroana azy tamin’ny tongony hoatra ny olona, ary nomena fon’olombelona izy.
5Dia indro koa biby hafa, dia ny faharoa, hoatra ny orsa niainga ny ila tenany, nisy taolana tehezana telo teny am-bavany, tanelanelan’ny nifiny, ary izao no nolazaina taminy: Mitsangàna ianao, mihinàna nofo betsaka!
6Manaraka izany, nijery aho, ka indro nisy biby hafa koa hoatra ny leoparda, nanana ela-borona efatra izany biby izany, dia nomena azy ny fanapahana.
7Raha efa izany, nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho, ka indro nisy biby fahefatra mahatsiravina; mampihoron-koditra, ary mahery indrindra; nana-nify vy lehibe izy io, nihinana sy nikepokepoka, ka ny sisa tsy lany nohoseny tamin’ny tongony; hafa noho ireo biby rehetra talohany izy, nanan-tandroka folo.
8Nodinihiko ireo tandroka, ka indro nisy tandroka hafa kely nipoitra eo amin’izy ireo, ary nombotan’io ny telo tamin’ireo tandroka taloha, ary indro fa nana-maso hoatra ny mason’olona, sy vava nilaza zava-dehibe ity tandroka ity.»
Fahitana ilay Anti-dahy sy ny Zanak’olona9«Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana, izay nipetrahan’ny anti-dahy anankiray; fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany; tahaka ny volon’ondry madio, ny volon-dohany; lelafo ny seza fiandrianany; afo mirehitra, ny kodiarany;
10ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany, arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky.
11Nijery aho tamin’izay noho ny fireondreon’ny teny mihoa-pampana nolazain’ilay tandroka. Nijery aho mandra-pamono ilay biby, sy nandevonana ny tenany natao teo amin’ny lelafo.
12Ireo biby hafa koa efa nesorina taminy ny fanapahany; ary noferana ny halavan’ny andro iainany, mandra-piavin’ny andro amam-potoana.
13Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho, ka indro nisy toy ny Zanak’olona tamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra; nandroso izy nankeo amin’ilay anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany;
14dia nomena azy ny fahefana sy ny voninahitra amam-panjakana, ary nanompo azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra. Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.»
Fivoasana ilay fisehoana hita15«Nitebiteby ny saiko tao anatiko, izaho Daniela, ary nahatsiravina ahy ny fahitan’ny lohako.
16Nanatona ilay anankiray tamin’ireo nitsangana teo aho, dia nanontany azy izay mba marina tokoa ny momba izany rehetra izany, ka niteny tamiko izay nilaza ny hevitr’izany:
17Ireo biby lehibe ireo, izay efatra no isany, dia mpanjaka efatra hitsangana avy amin’ny tany;
18nefa ireo olo-masin’ny Avo Indrindra no handray ny fanjakana sy hahalasa ny fanjakana ho azy mandrakizay doria alaovalo.
19Tiako ho fantatra marina tamin’izay, ny amin’ilay biby fahefatra, izay hafa noho izy rehetra, mahatsiravina indrindra, vy ny nifiny, varahina ny hohony, nihinana sy nikepokepoka azy ary nohoseny tamin’ny tongony ny sisa tsy laniny;
20sy ny amin’ireo tandroka folo teo an-dohany, mbamin’ilay tandroka iray hafa nisandratra, ka nisy telo no nitsingidina teo anoloany, dia ilay tandroka nana-maso, nanam-bava nilaza zava-dehibe, ary niseho ho lehibe noho ny namany.
21Nijery aho ka indro niady tamin’ireo olo-masina, sy naharesy azy ireo ilay tandroka,
22mandra-pahatongan’ilay anti-dahy izay nanomezana ny fitsarana an’ireo olo-masin’ny Avo Indrindra, sy nahatongavan’ny fotoana hahazoan’ireo olo-masina ny fanjakana.
23Izao no nolazainy tamiko: ‹Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra hisy eto an-tany, hafa noho ny fanjakana rehetra, hihinana ny tany rehetra, ary hanosihosy azy, sy hanorotoro azy.
24Ireo tandroka folo dia milaza mpanjaka folo hitsangana amin’izany fanjakana izany; hisy iray koa hitsangana manarakaraka azy ireo; ho hafa noho ireo talohany, ary hanongana mpanjaka telo.
25Hanao teny manohitra ny olo-masin’ny Avo Indrindra, sy hamoron-kevitra hanova ny fotoana aman-dalàna, ary hatolotra ho eo an-tanany ireo olo-masina mandra-pahatapitry ny fetr’andro iray, sy fetr’andro roa, ary ny antsasaky ny fetr’andro.
26Ary hatao ny fitsarana, ka hoesorina aminy ny fahefany, mba handravana azy sy handevonana azy mandrakizay.
27Ary ny fanjakana sy ny fanapahana amam-pahalehibeazan’ny fanjakana etỳ ambanin’ny lanitra rehetra, homena ny vahoakan’ny olo-masin’ny Avo Indrindra; fanjakana mandrakizay ny fanjakany, ary hanompo azy sy hanoa azy ny fahefana rehetra.›
28Izany no niafaran’ny teny. Nahatsiravina ahy i Daniela loatra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko nefa notahiriziko tao am-poko izany zavatra izany.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.