1Kôrintianina 3 - Malagasy Catholic Bible

1Ary izaho, ry kristianina havana, dia tsy nahazo niteny taminareo toy ny amin’ny olona ara-panahy, fa toy ny amin’ny olona ara-batana sy mbola zaza ao amin’i Kristy.

2Ronono no nomeko hosotroinareo, fa tsy ventin-kanina mahery, satria tsy mbola nahazaka izany ianareo, sady tsy mbola mahazaka ankehitriny aza, noho ianareo mbola ara-batana.

3Fa fialonana amam-pifandirana no hita ao aminareo, ka moa tsy ara-batana sy araka ny fanaon’olombelona va izany?

4Raha ny iray hanao hoe: «Izaho an’i Paoly,» ny iray kosa hanao hoe: «Izaho an’i Apôlô,» moa tsy olombelona ihany va ianareo amin’izany?

Ny tena anjara asan’ny mpitory teny

Fa inona àry i Apôlô, ary inona koa i Paoly?

5Mpandraharaha nahatonga anareo ho mpino fotsiny ireo, samy araka izay nomen’ny Tompo azy avy.

6Izaho moa namboly, i Apôlô kosa nanondraka; fa Andriamanitra ihany no nampaniry.

7Samy tsinontsinona na izay mamboly na izay manondraka; fa Andriamanitra Izay mampaniry ihany no Izy.

8Sahala ihany ny mamboly sy ny manondraka; ary samy hovalian’Andriamanitra araka ny fisasarany avy.

9Fa izahay moa mpiara-miasa amin’Andriamanitra; ary ianareo kosa sahan’Andriamanitra sy trano arafiny.

10Noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy, dia nanao ny fanorenana toy ny tompo-marika mahay aho, ary ny hafa kosa mandrafitra eo amboniny. Samia anefa mitandrina izay arafiny eo amboniny;

11satria tsy misy mahazo manao fanorenana hafa, afa-tsy izay efa vita, dia i Jesoa Kristy.

12Koa raha misy mandrafitra trano volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka na mololo, eo ambonin’io fanorenana io, dia haseho avokoa ny asan’ny olona tsirairay avy;

13ary ny andron’ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin’ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan’ny olona tsirairay isam-batana:

14maharitra moa ny asa narafiny teo amboniny, dia handray valisoa izy;

15may kosa ny asany, dia ho faty antoka izy, nefa hovonjena ihany ny tenany, saingy toy ny avy ao amin’ny afo.

16Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra?

17Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra dia mba horavan’Andriamanitra kosa, satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.

Fananarana maromaro

18Aza misy mamita-tena; fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao, dia aoka ho adala izy mba ho hendry.

19Satria ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: «Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy»;

20ary koa hoe: «Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry, ary fantany fa zava-poana izany.»

21Koa aza misy manao olona ho reharehany,

22fa anareo ny zavatra rehetra, na i Paoly, na i Apôlô, na i Sefasy, na izao tontolo izao, na ny fiainana ny zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany;

23ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help