Izaia 49 - Malagasy Catholic Bible

Hira faharoan’ilay Mpanompon’i Iaveh(Jereo Iz 42,1)

1Mihainoa ahy, ry Nosy;

mitandrema ianareo, ry firenena lavitra!

I Iaveh efa niantso ahy hatrany am-bohoka,

efa nilaza ampahibemaso ny anarako,

hatrany an-kibon’i neny.

2Nataony sabatra maranitra ny lelako;

nalofany tamin’ny aloky ny tanany aho;

nataony zana-tsipìka maranitra aho,

nafeniny teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany.

3Ary hoy Izy tamiko: «Mpanompoko ianao, ry Israely,

izay hataoko reharehako.»

4Dia hoy kosa aho: «Foana ny nisasarako;

zava-poana sy tsinontsinona, no nandaniako ny heriko;

fa ao amin’i Iaveh ny rariny ananako,

ao amin’Andriamanitro ny valisoa ho ahy.»

5Ary ankehitriny miteny i Iaveh,

izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba ho mpanompony,

hampody an’i Jakôba aminy indray,

ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely.

- Ary mahazo voninahitra eo imason’i Iaveh aho,

ary Andriamanitro no heriko. -

6Hoy Izy: «Mbola zavatra kely foana

ny maha-Mpanompoko anao,

hanangana ny firenen’i Jakôba indray,

sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely;

fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao,

mba hitaran’ny famonjeko

hatramin’ny faran’ny tany.»

Ny nodiana tantaraina an-kira

7Izao no lazain’i Iaveh,

ilay Mpanavotra sy ilay Masin’i Israely;

amin’ilay esoina sy tevatevain’ny vahoaka,

mpanompon’ny mpanapaka masiaka:

«Hahita anao ny mpanjaka, ka hitsangana;

ary ny mpanapaka, ka hiankohoka,

noho ny amin’i Iaveh izay mahatoky,

sy ilay Masin’i Israely izay nifidy anao.»

8Izao no lazain’i Iaveh:

«Mihaino anao amin’ny andro fankasitrahana Aho,

ary mamonjy anao amin’ny andro famonjena;

niaro anao Aho,

ary nanangana anao ho faneken’ny firenena,

hanandratra indray ny tany, hizara ny loza nosimbana;

9hilaza amin’izay lasan-ko babo hoe: ‹Mivoaha!›

sy amin’izay ao anatin’ny aizina hoe:

‹Mankanesa atỳ amin’ny mazava;›

hahazo hiraotra izy ireo manaraka ny lalana,

ary ny vilon-kohaniny dia eny amin’ny havoana rehetra;

10tsy ho noana izy na hangetaheta,

tsy ho tratry ny fasika mahamay, na ny masoandro.

Fa ilay mamindra fo aminy no hitarika azy ireo,

sy hitondra azy ho eo amin’ny rano miboiboika.

11Hataoko lalana ny tendrombohitra rehetra;

ary hasandratra indray ny lalako.

12Indreo ny sasany avy lavitra,

indreo ny sasany avy any avaratra sy avy any andrefana,

ary indreo koa ireo avy any amin’ny tanin’ny Sinima.

13Mihobia an-kafaliana, ry lanitra; miontàna, ry tany!

Velomy ny hobin-kafaliana, ry tendrombohitra!

Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany,

sy nangoraka ireo izay nampahorîna!»

14Hoy Siôna: «Nafoin’i Iaveh aho;

hadinon’ny Tompo aho!» -

15Hanadino ny taizany va ny vehivavy,

ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony?

Na hanadino aza ny reny,

Izaho tsy mba hanadino anao!

16Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin’ny felatanako ianao;

eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.

17Ny zanakao, tamy faingana;

ry zareo nanimba sy nandrava anao, manalavitra anao.

18Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo,

fa mivory avokoa izy ireo, manatona anao izy ireo.

Velona Aho, - teny marin’i Iaveh, -

dia hihaingoanao, toy ny firavaka, ireo rehetra ireo;

ary hisikinanao toy ny sikin’ny ampakarina.

19Fa ny tanànanao rava, ny efitrao, ny taninao foana,

ireo rehetra ireo dia tsy ho ampy

amin’izay ho an’ny mponina eo aminao;

ary izay nandany anao, lasa lavitra!

20Amin’izany, hiteny eo an-tsofinao

ireo zanakao nesorina taminao, hanao hoe:

«Ety loatra aho amin’ity tany ity,

ka omeo fitoerana hahazoako honenana aho;

ka ataovy izay hahazoako tany honenana.»

21Ary ianao kosa hanao anakampo hoe:

«Iza no niteraka ireto ho ahy?

Fa tsy nanan-janaka aho, momba aho,

noroahina sy nisaorana aho;

ary ireto kosa, iza no nitaiza azy?

Indro Aho nitoetra irery;

ka taiza ireto?»

22Izao no lazain’i Iaveh Tompo:

Indro Aho hanandratra ny tanako amin’ny firenena,

ary hanangana ny fanevako amin’ny vahoaka;

dia hoentiny miverina eo an-tanany ny zanakao lahy;

ary hoentiny miverina eny an-tsorony, ny zanakao vavy.

23Mpanjaka lahy no ho mpitaiza anao

ary ny andriambaviny no ho mpitaiza anao;

hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ireo,

ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao;

dia ho fantatrao fa Iaveh Aho,

ary tsy ho menatra izay manantena Ahy.

24Fa moa alaina amin’ny mahery va ny rembiny,

ary mety ho afaka hitsoaka va ny marina lasan-ko babo?

25Izao no lazain’i Iaveh:

Halaina aminy na ny sambotry ny mahery aza,

ary ho afaka aminy ny babon’ny mpanao an-keriny.

Fa ny mpandrafy anao, dia Izaho no hiady aminy,

ny zanakao, dia Izaho no hamonjy azy ireo.

26Hataoko mihinana ny nofony ny mpampahory anao;

hidoroka amin’ny ran’ny tenany,

hoatra ny amin’ny divay vaovao;

dia ho fantatry ny nofo rehetra

fa Izaho Iaveh no Mpamonjy anao,

ary ilay Maherin’i Jakôba no mpanavotra anao!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help