Habakoka 3 - Malagasy Catholic Bible

3. FIANTSOANA AN’ANDRIAMANITRA HIDITRA AN-TSEHATRA

1Vavaka nataon’i Habakoka, mpaminany.

Araka ny fomban-dahateny ditirambìka.

2Iaveh ô, nandre izay nampandrenesinao aho,

dia raiki-tahotra aho, Iaveh ô!

Velomy ny asanao amin’ny taona mifandimby;

ataovy fantatra amin’ny taona mifandimby izy.

Na eo amin’ny hatezeranao aza, mahatsiarova ny hamindra fo.

3Tamy avy any Temàna Andriamanitra,

ary avy any an-tendrombohitra Faràna ilay Masina (Selà).

Nanarona ny lanitra ny fiandrianany;

ary nameno ny tany ny voninahiny.

4Toy ny fahazavan’ny masoandro miposaka ny famirapiratany;

misy tanamasoandro avy eo amin’ny tanany;

ao no ieren’ny heriny.

5Mandeha eo anoloany ny fandripahana;

ary manaraka ny diany ny tazo mahamay.

6Nijanona Izy, ka nampihorohoro ny tany;

nijery Izy ka nampihozongozona ny firenena;

torotoro ny tendrombohitra mandrakizay,

nietry ny havoana fahagola;

ny lalany taloha no narahiny.

7Hitako latsaka am-pahoriana, ny lain’i Kosàna,

ary mihorohoro ny lay amin’ny tanin’i Moaba.

8Amin’ny ony va no mahatezitra an’i Iaveh?

sa amin’ny ony no irehetan’ny fahatezeranao?

amin’ny ranomasina no mampisafoaka anao,

raha ilay mitaingina ny soavalinao iny Ianao,

raha mitaingina ny kalesim-pamonjenao?

9Ny tsipìkanao miseho miharihary;

ny zana-tsipìkanao dia ireo fiainana voatononao (Selà).

Ataonao mivava ny tany ho ranon-driaka.

10Nahita anao ny tendrombohitra ka mangovitra,

nisy rambon-danitra nandalo, niloa-peo ny hantsana

sady nanangan-tanana mankany ambony.

11Tafajanona eo amin’ny fitoerany ny masoandro amam-bolana;

ka ny fanjelajelatry ny zana-tsipìkanao no andehanan’ny olona,

sy ny fahazavan’ny lefonao mamirapiratra.

12Mitetitety ny tany amim-pahatezerana Ianao,

hitsahinao amim-pahavinirana ny firenena.

13Nivoaka hamonjy ny olonao Ianao,

hanafaka an’ilay Voahosotrao;

notapahinao ny vovonan’ny tranon’ny ratsy fanahy,

nahariharinao hatrany ambany ny fiorenany (Selà).

14Notrobaranao tamin’ny zana-tsipìkany ihany,

ny lohan’ireo antokon’olony,

izay nibosesika hamely ahy,

tamim-panaovana hobin-kafaliana toy ny efa handevona

ny ory ao amin’ny fierin’izy ireo.

15Hitsahinao amin’ny tongo-tsoavalinao ny ranomasina,

ny fitambaran’ny rano be.

16Vao nandre aho dia nivadika ny tsinaiko;

mipararetra amin’izany feo izany ny molotro,

idiran’ny fahalòvana ny taolako,

mangovitra ny lohaliko eo ambaniko,

noho ny tsy maintsy hiandrasako amim-piadanana ny andro mahory,

izay hiakaran’ny fahavalo hampahory ny vahoaka anankiray.

17Satria amin’izany ny aviavy tsy hamontsina,

ny voaloboka tsy hisy hotoazana;

ny ôliva tsy hisy voany;

ary ny saha tsy hahavoka-kanina;

tsy hisy intsony ao amin’ny vala ny ondry

ary ny fahitra tsy hisy omby intsony.

18Fa izaho dia te hiravoravo amin’i Iaveh,

te hientan-kafaliana amin’ny Andriamanitry ny famonjena ahy.

19I Iaveh Tompo no heriko;

ataony toy ny an’ny serfa vavy ny tongotro,

ary ampandehaniny eny amin’ny fitoerako avo aho.

Ho an’ny filohan’ny mpihira, amin’ny zava-manenoko tendrena.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help