Salamo 45 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 45 (Volgata 44)Fankalazana ny fanambadian’ny mpanjaka

1Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny lisy. Nataon’ny taranak’i Kôre. Hiram-pitiavana.

2Hira mahafinaritra no miboiboika avy ao am-poko;

hoy aho: Ho an’ny mpanjaka anankiray no alahatro!

Manahaka ny penina faingam-panoratra ny lelako.

3Tsara tarehy noho ny zanak’olombelona ianao;

feno fahafinaretana ny molotrao,

ka noho izany dia notahin’Andriamanitra mandrakizay ianao.

4Sikino amin’ny sabatrao ny valahanao, ry ilay mahery,

tafio ny famirapiratanao amam-piandriananao.

5Iakaro ny kalesinao, ka mandrosoa amin’ny fiandriananao,

mikatroha hiaro ny fahamarinana, ny halemem-panahy, ny rariny;

ary ny tananao ankavanana anie hahavitanao asa mahagaga.

6Maranitra ny zana-tsipìkanao;

firenena maro no ho lavo eo an-tongotrao.-

Hotrabaran’ireny ny fon’ny fahavalon’ny mpanjaka.

7Andriamanitra ô, tafatoetra mandrakizay ny seza fiandriananao;

tehim-pahamarinana, ny tehim-panjakanao.

8Tia ny rariny Ianao, fa mankahala ny heloka;

ka noho izany, Andriamanitra, Andriamanitrao nanosotra anao

tamin’ny diloilom-piravoravoana, mihoatra noho ny namanao.

9Manitra mira sy aloesy aman-kasa ny fitafianao rehetra;

mamalifaly anao ny zava-maneno avy ao an-dapa ivoara.

10Zanaka vavin’Andriamanitra no isan’ny malalanao;

ny mpanjakavavy miravaka volamenan’i Ofira no eo ankavananao.

11Henoy, anaka, jereo ary mampandria sofina:

hadinoy ny firenenao aman-tranon-drainao,

12dia ho raiki-pitia ny hatsaran-tarehinao ny mpanjaka

fa tomponao izy; ka tolory fanajana.

13Mitondra fanatitra ny zanaka vavin’i Tira

mbamin’ny manan-karena amin’ny vahoaka, hitady fitia aminao.

14Feno famirapiratana ny zanaka vavin’ny mpanjaka ao anatin’ny trano:

volamena voatenona no itafiany.

15Miakanjo misoratsoratra izy, no entina ao amin’ny mpanjaka;

manaraka azy misy zazavavy namany entina ho ao aminao.

16Ampandrosoina amim-pifaliana sy firavoravoana izy ireo,

dia miditra ao an-dapan’ny mpanjaka.

17Ny zanakao no hisolo toerana ny rainao;

hatsanganao ho mpanapaka amin’ny tany rehetra izy ireo.

18Hampahatsiaro ny Anaranao amin’ny taona rehetra aho;

ka hidera Anao mandrakizay ny firenena.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help