1Ary niantso an-janany hankeo aminy i Tobia ka nanao taminy hoe: «Inona no homentsika an’ity lehilahy masina nanaraka anao tany amin’ny dianao?»
2Dia hoy i Tobia namaly an-drainy: «Dada ô, inona no valisoa azontsika atolotra azy? Moa misy zavatra mifanentana amin’ny fanampiana nataony?
3Izy no nitari-dalana sy nitondra ahy niverina soa aman-tsara, ny tenany no lasa nandray ny vola tany amin’i Gabelosa, izy no nampahazo ahy vady, izay nandroahany demony, sy nahadiboka hafaliana an-drainy aman-dreniny, izy no namonjy ahy tamin’ilay hazandrano efa ndeha handrapaka ahy, izy no nampahita anao ny hazavan’ny lanitra, ary tamin’ny nataony no nahazoantsika izao soa rehetra isan-karazany izao. Koa inona àry no azontsika omena azy, hifandanja amin’izay nataony ho antsika?
4Kanefa mangataka anao aho, ry Dada, mba hanontany azy raha mba sitrany ihany ny handray ny antsasaky ny harena rehetra nentinay.»
5Dia nantsoin’i Tobia mianaka izy, nentiny nitokana, ka niangaviany mba hankasitraka ny handray ny antsasak’izay rehetra nentiny.
6Tamin’izay ity Anjely niara-nitokana tamin’izy ireo nanao taminy hoe: «Misaora ny Andriamanitry ny lanitra, ary manomeza voninahitra Azy, eo anatrehan’ny manana aina rehetra, noho ny famindram-pony nataony taminareo.
7Tsara ny tsy mamboraboraka ny zava-miafin’ny mpanjaka, fa mendrika ny hoderaina kosa ny manambara sy mampiely ny asan’Andriamanitra.
8Ny vavaka ombam-pifadian-kanina dia tsara, ary ny fiantrana dia sarobidy noho ny volamena aman-drakitra.
9Fa ny fiantrana manafaka amin’ny fahafatesana, ary izy no manala ny fahotana, ary mampahita ny famindram-po sy ny fiainana mandrakizay.
10Fa izay manao fahotana sy tsy fahamarinana kosa no fahavalon’ny tenany.
11Indro àry hasehoko anareo ny marina, ary tsy tiako ny hanafina na inona na inona aminareo.
12Raha ianao nivavaka tamin-dranomaso sy nandevina ny maty, raha ianao nandao ny sakafonao, nanafina ny maty tao an-tranonao ny antoandro, ary nandevina azy nony alina, izaho kosa nanolotra ny vavakao tamin’ny Tompo.»
13«Ary noho ianao sitrak’Andriamanitra, dia tsy maintsy notsapain’ny fakam-panahy ianao.
14Fa nirahin’ny Tompo aho ankehitriny hanasitrana anao, sy hanafaka an’i Sarà vadin-janakao amin’ny demony.
15Izaho no Rafaely, Anjely, anankiray amin’ireo fito mitsangana eo anatrehan’ny Tompo.»
16Nony nandre izany teny izany izy ireo, dia ana foana, tera-kovitra, lavo tafahohoka tamin’ny tany.
17Fa hoy ity Anjely taminy: «Ho aminareo anio ny fiadanana!
18Aza matahotra, fa nony niaraka taminareo aho, dia noho ny sitrapon’Andriamanitra no niarahako taminareo; misaora Azy, ary manaova hira fiderana Azy.
19Nataonareo fa nihinana sy nisotro niaraka taminareo aho kanefa hanina tsy hita no nohaniko sy fisotro tsy hain’ny mason’olombelona takarina.
20Ary izao dia efa fotoana tsy maintsy iverenako any amin’Izay naniraka ahy, fa ianareo kosa misaora an’Andriamanitra, aelezo ny asany mahagaga rehetra.»
21Avy niteny izany izy, dia nesorina teo imason’izy ireo, ka tsy hitany hojerena intsony.
22Tamin’izay dia nihohoka tamin’ny tany izy ireo nandritra ny adiny telo, vao nisaotra an’Andriamanitra, ary nony efa nitsangana avy eo dia nitantara ny asany mahagaga rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.