Ekleziastika 13 - Malagasy Catholic Bible

Ny mitovy aminao iarahana

1Izay mikasika ny dity dia voaloto,

ary izay mikambana amin’ny mpiavona, zary manahaka azy.

2Aza mametraka enta-mavesatra eo an-tsorokao;

ary aza mikambana amin’ny olona mahery sy manan-karena noho ianao,

Fikambanana inona no azon’ny vilany tany sy vilany varahina atao?

Hopohin’ny vilany varahina ny vilany tany, ka ho montsana io.

3Ny manan-karena manao ny tsy marina ary mangovitry ny hatezerana;

ny mahantra asian-dratsy no miala tsiny.

4Raha mbola misy soa azonao atao aminy,

ampiasainy ianao,

ary rehefa tsy manan-katao aminy intsony ianao, dia ariany.

5Raha mbola manana ianao, hiara-mitoetra aminao izy,

hoendahany ny anananao, tsy ahoany akory izany.

6Misy ilany anao va? Hanangoly anao izy,

hitsiky aminao, hampanantenantena anao,

tsy handala teny soa aminao, ary hilaza aminao hoe: Inona no ilainao?

7Hozezehiny fanasana ianao,

mandra-panendaka anao indroa na intelo;

ary amin’ny farany, hihomehezany ianao;

raha efa izany hahita anao izy dia hilaozany ianao,

sady hampandihy loha eo anatrehanao izy.

8Mitandrema sao mety hoangoleny ianao,

ary sao lavo amin’ny fietrena ianao ao anatin’ny fanambinana.

9Raha ny manam-pahefana no miantso anao, mihemora ianao;

ny vao mainka hanasa anao mafy no hataony.

10Aza mankeo aminy tampoka, fandrao roahiny ianao;

ary aza mijanona lavitra azy loatra, fandrao hadino.

11Aza mihevitra ny hiresaka aminy toy ny mitovy saranga,

ary aza matoky ny resaka be ataony.

12Fa hotsapainy amin’ny teniny mikararana ianao,

ary hanontaniany, somary asiany hehy.

Olona tsy manana antra izy,

ka tsy hitana ao aminy izay teninao akory.

Ary tsy hitsitsy famelezana na famoretana izy, aminao.

13Mitandrema, ary mitandrema tsara,

fa miara-mandeha amin’ny faharavanao ianao.

14Ny zava-boaary miaina rehetra, tia ny mitovy aminy;

ny olombelona rehetra tia ny namany.

15Ny nofo rehetra miray araka ny karazany;

ary ny olombelona rehetra mikambana amin’izay manahaka azy.

16Fikambanana inona no mety hisy amin’ny amboadia sy ny zanak’ondry;

toy izany koa ny amin’ny mpanota sy ny olona tia vavaka.

17Fihavanana inona no mety hananan’ny amboahaolo sy ny amboa?

Fihavanana inona no mety hihavanan’ny mpanan-karena sy ny mahantra?

18Ny ampondra dia no firembin’ny liona any an’efitra;

toy izany ny mahantra dia firembin’ny mpanan-karena.

19Halan’ny mpiavonavona, ny fietrena:

toy izany koa halan’ny mpanana ny mahantra.

20Raha ny manan-karena no mangozohozo, tohanan’ny sakaizany;

fa raha ny ambany kosa no lavo, vao mainka roahin’ny sakaizany.

21Raha ny mpanana no potraka, maro no mamonjy azy;

manao teny tsy misy heviny izy, ankatoavin’ny olona koa.

Fa raha ny ambany no potraka, vao mainka koa tsinina.

22Raha miteny ny mpanana, mangina avokoa ny olona rehetra,

sady deraina manakoako hatrany an-danitra ny lahateniny.

Fa raha ny mahantra no miteny, ataony hoe: «Mba iza koa io?»

ary raha manohina izy, alavon’ny olona.

23Tsara ny harena, raha tsy mikambana amin’ny ota;

ary ratsy ny fahantrana, eo am-bavan’ny mpankahala fivavahana.

24Ny fon’ny olombelona dia manova endrika azy.

Mahatonga azy ho tsara na ratsy izy.

25Ny tarehy miramirana, no mariky ny fo faly:

ny asan’ny fieritreretana, no ahitana foto-kevitra mahasoa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help