2Tantara 10 - Malagasy Catholic Bible

4. IREO FANITSIANA VOALOHANY TEO AMIN’NY FITONDRAN’NY MPANJAKAI RÔBÔAMA SY NY NIVONDRONAN’NY LEVITANisaraka roa(Jereo 1Mpa 12,1-19)

1Ary nankany Sikema i Rôbôama, fa efa nandeha nankany Sikema i Israely rehetra hampanjaka azy.

2Nony nandre izany i Jerôbôama zanak’i Nabata, izay mbola tany Ejipta, fa tany no nandosirany an’i Salômôna mpanjaka,

3dia niverina avy any Ejipta izy ka nampanalain’ny olona. Tamin’izay, dia nanatona i Jerôbôama sy i Israely rehetra ka niteny tamin-dRôbôama nanao hoe:

4«Irainao dia nampitondra jioga mavesatra anay, ka ankehitriny hamaivano ny fanompoana mafy nampitondrain-drainao anay sy ny jioga mavesatra nanindriany anay, dia hanompo anao izahay.»

5Ary hoy ny navaliny azy ireo: «Rehefa afaka hateloana, miverena atỳ amiko indray ianareo.» Dia lasa ny vahoaka.

6I Rôbôama kosa nila hevitra tamin’ireo zokiolona nanotrona an’i Salômôna rainy, fony fahavelony, ka nanao hoe: «Inona no hevitra omenareo havaly ity vahoaka ity?»

7Dia niteny taminy ireo nanao hoe: «Raha mora fo amin’ity vahoaka ity ianao, ka mandray azy tsara sy manao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.»

8Navelan-dRôbôama anefa ny torohevitra nomen’ny zokiolona azy, fa ny tovolahy indray nihira taminy sy nitoetra teo anatrehany indray no nilany hevitra. Hoy izy tamin’ireo:

9«Inona no hevitra omenareo havaly ity vahoaka manao amiko hoe: Hamaivano ny jioga nampitondrain-drainao anay?»

10Ka izao kosa no navalin’ireo tovolahy indray nihira taminy azy: «Izao no lazao amin’ny vahoaka, izay niteny taminao hoe: Irainao nampitondra jioga mavesatra anay, fa ianao kosa dia hamaivano aminay izany! Izao no lazao aminy: Lehibe noho ny valahan’idada ny ankikeliko.

11Koa izao àry, jioga mavesatra no nampitondrain’idada anareo: hataoko mavesabesatra kokoa ny jioganareo. Kotopia no namaizan’idada anareo, fa maingoka kosa no hamaizako anareo.»

12Tonga teo amin-dRôbôama i Jerôbôama sy ny vahoaka rehetra, tamin’ny andro fahatelo, araka ny tenin’ny mpanjaka hoe: «Rehefa afaka hateloana, miverena atỳ amiko indray ianareo»;

13ary teny mafy no navalin’ny mpanjaka azy ireo. Namela ny torohevitry ny zokiolona i Rôbôama mpanjaka,

14fa araka ny torohevitry ny tovolahy no nitenenany taminy, nataony hoe: «Nampahavesatra ny jioganareo idada, ary izaho hanavesabesatra kokoa izany aminareo; kotopia no namaizan’idada anareo, ary maingoka kosa no hamaizako anareo.»

15Dia tsy nihaino ny vahoaka ny mpanjaka, satria izany no hevitra nataon’Andriamanitra hahatanteraka ilay teny nolazain’i Iaveh tamin’ny alalan’i Ahiasa avy any Silô tamin’i Jerôbôama zanak’i Nabata.

16Rehefa hitan’i Israely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia hoy ny navalin’ny vahoaka ny mpanjaka:

«Manana anjara inona amin’i Davida moa izahay?

Tsy manan-dova amin’ny zanak’i Isaia izahay!

Koa samia ho any an-dainy, ry Israely,

fa ianao kosa, ry Davida, ahio ny tranonao!»

Dia samy nody ho any an-dainy avy i Israely rehetra.

17Ny zanak’i Israely nonina tamin’ireo tanànan’i Jodà ihany, no hany nanjakan-dRôbôama.

18Tamin’izay i Rôbôama mpanjaka naniraka an’i Adôrama lehiben’ny mpamory hetra; fa ny zanak’i Israely rehetra nitora-bato an’i Adôrama, ka maty io. Dia niezaka niakatra ny kalesy anankiray faingana i Rôbôama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.

19Toy izany no niendahan’i Israely tamin’ny taranak’i Davida mandrak’androany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help