Salamo 100 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 100 (Volgata 99)Fiantsoana ny olona hidera

1Salamo fiderana.

Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh

ianareo mponina amin’ny tany rehetra.

2Manompoa an’i Iaveh amin-kafaliana,

mankanesa eo anatrehany amim-piravoravoana.

3Fantaro fa Andriamanitra i Iaveh;

Izy no nanao antsika, ka Azy isika,

vahoakany sy andian’ondriny amin’ny tanim-bilony.

4Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana,

sy eo an-kianjany amim-pihirana;

ankalazao Izy, isaory ny Anarany.

5Fa tsara i Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony,

ary maharitra amin’ny taona mifandimby ny fahamarinany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help