1 Vavak’i Môizy, olon’Andriamanitra.
Tompo ô, Ianao no aronay amin’ny taona rehetra mifandimby.
2Talohan’ny namoronanao ny tendrombohitra,
sy niterahanao ny tany sy izao rehetra izao:
dia efa nisy mandrakizay ka ho mandrakizay Ianao, ry Andriamanitra!
3Mampanjary ny olombelona ho vovoka Ianao,
ka manao hoe: «Miverena, ry zanak’olombelona!»
4Fa eo imasonao, ny arivo taona,
dia tahaka ny andro omaly, raha mandalo izy,
ary tahaka ny fiambenana iray amin’ny alina.
5Manindrona azy toy ny nofy Ianao;
ny maraina, mitsimoka indray izy, toy ny ahitra;
6mamòny sy maniry izy ny maraina;
fa malazo sy maina ny hariva.
7Toy izany no andevonan’ny fahatezeranao anay,
sy ampitahoran’ny fahaviniranao anay,
8apetrakao eo anoloanao ny helokay;
ary eo amin’ny fahazavan’ny Tavanao, ny fahadisoanay takona.
9Azon’ny hatezeranao, dia foana avokoa ny andronay rehetra,
hitanay mihelina toy ny feo malemy, ny taonanay.
10Mahatratra ny fitopolo taona no andronay,
valopolo taona no fara fahabetsahany;
nefa hasasarana sy fahoriana foana ny voninahiny,
fa mihelina faingana izy, dia lasa manidina izahay!
11Zovy no mahafantatra ny herin’ny fahatezeranao,
ary ny fahaviniranao, araka ny fahatahorana mendrika hatao Anao?
12Ampianaro hanisa tsara ny andronay izahay,
mba hahazoanay fo hendry.
13Miverena, ry Iaveh, mandra-pahoviana no?...
Mamindrà fo amin’ny mpanomponao!
14Vokiso ny hatsaram-ponao izahay, ny maraina,
dia hifaly sy hiravoravo, amin’ny andronay rehetra.
15Ampifalio araka ny andro nampahorianao anay izahay,
sy araka ny taona nahitanay loza.
16Aoka hiharihary amin’ny mpanomponao ny asanao,
mbamin’ny voninahitrao, ho an’ny taranany!
17Ho aminay anie ny fanambinan’i Iaveh, Andriamanitray!
Hamafiso aminay ny asan’ny tananay;
eny, hamafiso ny asan’ny tananay!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.