Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 15 - Malagasy Catholic Bible

Tononkiran’i Môizy sy tononkiran’ny Zanak’ondry

1Raha efa izany, dia nahita famantarana hafa sady lehibe no mahagaga tany an-danitra aho, dia Anjely fito nitondra loza fito farany, fa amin’ireo no hanaperana ny fahatezeran’Andriamanitra.

2Ary nahita toa ranomasina fitaratra miharo afo aho; ka izay nandresy ny Biby sy ny sariny ary ny isan’ny anarany no nitsangana teo amoron’io ranomasina fitaratra io, mitana ny harp’Andriamanitra.

3Ny hiran’i Môizy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanak’ondry no nohirain’izy ireo, ka hoy izy: «Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan’ny taona mandrakizay!

4Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny Anaranao. Tompo ô? Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsarànao!»

Ireo loza fito sy kapoaka fito

5Taorian’izany, indro hitako novohaina ny Tempoly nisy tranolain’ny fanambaràna tany an-danitra,

6ka nivoaka avy tao amin’ny tempoly ny Anjely fito nitondra ny loza fito; niakanjo rongonim-bazaha fotsy mamirapiratra izy ireo, ary nietra fehikibo volamena nanodidina ny tratrany.

7Dia natolotry ny iray amin’ny Zava-manana aina efatra ny Anjely fito ireto kapoaka volamena fito, feno ny fahatezeran’Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay,

8ka feno setroka avy amin’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny ny Tempoly; ary tsy nisy afa-niditra tao amin’ny Tempoly mandra-pahatapitry ny loza fito nentin’ny Anjely fito.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help