1Fihirana. Salamon’i Davida.
2Efa nahazo toky ny foko, ry Andriamanitra ô,
dia hihira sy hampanakoako zava-maneno aho.
Mitsangàna, ry voninahitro!
3Mifohaza, ry valiha amana harpako!
Aoka hamoha ny mazava atsinanana aho!
4Hidera Anao eo amin’ny vahoaka aho, ry Iaveh!
hihira ho Anao eo amin’ny firenena aho.
5Fa misondrotra hihoatra ny lanitra ny hatsaram-ponao,
ary tafapaka amin’ny rahona ny fahamarinanao.
6Misandratra hihoatra ny lanitra, ry Andriamanitra;
aoka hamirapiratra amin’ny tany rehetra ny voninahitrao.
7Mba ho afaka ireo malalanao,
vonjeo amin’ny tananao ankavanana, ary valio vavaka aho.
8Efa niteny tamin’ny fahamasinany Andriamanitra:
Hientan-kafaliana aho!
Fa lasan-ko anjarako i Sikema; horefesiko i Sokôta.
9Ahy i Galaada, ahy i Manase;
fiadiana aro lohako i Efraima,
ary tehim-panjakako i Jodà;
10i Moaba tavin-drano fandroako,
i Edôma anipazako ny kapako;
Ny tanin’ny Filistinina no anaovako hobin-kafaliana!
11Iza no hitondra ahy any amin’ny tany mimanda?
Iza no hitarika ahy ho any Edôma?
12Tsy Ianao izay efa nanary anay va, ry Andriamanitra,
Ianao, ry Andriamanitra, izay efa tsy niara-nivoaka tamin’ny tafikay intsony?
13Vonjeo amin’ny mpampahory anay izahay,
fa zava-poana ny famonjena avy amin’olombelona.
14Raha omban’Andriamanitra isika dia herim-po no hasehontsika;
Izy no hanorotoro ny fahavalontsika.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.