Jôba 25 - Malagasy Catholic Bible

Mitsaontsaona i Baldada

1Dia niteny i Baldada avy any Sohe, ka nanao hoe:

2«Azy ny fanapahana sy fampatahorana,

fiadanana no ampanjakainy any amin’ny fonenany avo.

3Azo isaina va ny miaramilany?

Ary zovy no tsy iposahan’ny fahazavany?

4Ahoana no hahamarina ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra?

Ahoana no hahadio izay tera-behivavy?

5Ny volana aza, latsa-pahazavana,

ny kintana aza, tsy madio eo imasony!

6Ka mainka izay olombelona kankana foana,

sy izay zanak’olombelona olitra tsy manjary!»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help