1Amin’izany andro izany, hisy loharano hisokatra,
ho an’ny taranak’i Davida sy ny mponina ao Jerosalema,
hanasa ny fahotana amam-pahalotoana.
2Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany,
- teny marin’i Iavehn’ny tafika: -
Hofoanako amin’ny tany ny anaran-tsampy,
ka tsy hotononina intsony izany;
ary hoesoriko amin’ny tany koa
ny mpaminany mbamin’ny fanahim-pahalotoana.
3Ary raha misy mbola maminany ihany,
dia hilazan’ny ray aman-dreniny niteraka azy hoe:
«Tsy ho velona ianao, fa nilaza lainga,
tamin’ny Anaran’i Iaveh!»
Dia ny ray aman-dreniny niteraka azy ihany
no handefona azy eo am-paminaniany eo.
4Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany:
Ny mpaminany samy ho menatra ny fahitany avy
raha maminany izy;
ary tsy hitafy ny kapaoty volom-biby intsony,
mba handaingany.
5Hisy hilaza hoe: «Tsy mpaminany aho,
fa izaho dia olona mpiasa tany;
satria voavidin’olona hatry ny fony mbola kely aho.»
6Ary hisy hilaza aminy hoe: «Ka inona itony ratra
amin’ny tananao itony?»
ary hovaliany hoe: «Ny nahavoa ahy toy izao dia tao an-tranon’ny sakaizako.»
Fanomezana aina ny sabatra; ilay vahoaka vaovao7Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.
8Amin’ny tany rehetra, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ny androatokony haringana ho faty, ary ny ampahatelony sisa, havela ho ao ihany.
9Fa io ampahatelony io hampidiriko ao amin’ny afo, hodioviko toy ny fandio volafotsy, haofana toy ny fanofana volamena. Izy hiantso ny Anarako; ary Izaho hamaly azy. Izaho hanao hoe: «Oloko izy!» Ary izy hilaza hoe: «Andriamanitro i Iaveh!»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.