Ohabolana 25 - Malagasy Catholic Bible

5. AMBOARAN’OHABOLAN’I SALÔMÔNA, HAFALanjalanjao ny teny sy ny atao

1Izao koa no ohabolan’i Salômôna, nangonin’ny olon’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà.

2Voninahitr’Andriamanitra ny manafin-javatra,

fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mandini-javatra.

3Ny lanitra amin’ny haavony, ny tany amin’ny halaliny,

ary ny fon’ny mpanjaka, samy zavatra tsy azo takarina.

4Esory ny taim-bolafotsy,

dia hisy hanaovana fanaka hataon’ny mpanao anidina.

5Esory ny ratsy fanahy eo anoloan’ny mpanjaka.

dia hiorina mafy ny seza fiandrianany amin’ny fahamarinana.

6Aza manao endrika miavonavona eo anatrehan’ny mpanjaka,

ary aza mipetraka eo amin’ny fitoeran’ny lehibe;

7Fa aleo ny olona no hilaza aminao hoe: Miakara atỳ;

toy izay ianao no haetry eo imason’ny andriana,

izay efa hitanao maso.

8Aza dia faingam-panohitra foana,

fandrao tsy mahita izay hatao ianao amin’ny farany.

9Raha naniratsira anao ny namanao,

dia tohano ny adinao amin’ny namanao,

10fa aza manambara ny zavatra miafin’ny olon-kafa,

fandrao mahasafo-kenatra anao, izay mandre izany,

ka tsy ho afaka aminao ny fahafaham-baraka.

11Toy ny paoma volamena eo amin’ny ravaka voasikotra amin’ny volafotsy,

ny teny atao amin’ny antony.

12Toy ny kavim-bolamena amam-piravaka volamena tsara,

ny olon-kendry mananatra olona manan-tsofina mihaino tsara.

13Toy ny fangatsiatsiakan’ny oram-panala amin’ny taom-pijinjana,

ny iraka mahatoky amin’izay naniraka azy:

mamelombelona ny fanahin’ny tompony izy.

14Fa toy ny rahona aman-drivotra tsy misy orana kosa,

ny olona mirehaka amin’ny fanatitra hosoka.

15Ny fahari-po mety hampiekena ny mpitsara;

ary ny vava malefaka, mahafolaka ny taolana.

16Raha tojo tantely ianao, ny sahaza anao ihany hanina,

fandrao voky azy ianao, ka handoa azy indray.

17Aza mateti-piavy ao an-tranon’ny namanao,

fandrao tofoka anao izy, ka hankahala anao.

18Kanonta aman-tsabatra ary zana-tsipìka maranitra;

toy izany ny olona mitsangan-kiampanga tsy marina ny namany.

19Nify tapatapaka sy tongotra mibolisatra,

dia toy izany no fitokiana ny mpamadika, amin’ny andron’ny fahoriana.

20Toy ny miala lamba amin’ny andro mangatsiaka,

na manisy vinaingitra amin’ny sirahazo,

ny manao kalokalo amin’ny malahelo am-po.

21Raha noana ny fahavalonao, omeo mofo hohaniny,

raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;

22fa amin’izany ianao hanangona vainafo ho eo an-dohany;

ary i Iaveh hamaly soa anao.

23Ny rivotra avy avaratra miteraka orana;

ny lela mpifosa kosa, mampahasosotra endrika.

24Aleo mitoetra eny an-joron-tafon-trano,

toy izay miara-mipetraka amin’ny vehivavy tia ady.

25Rano mangatsiaka ho an’ny olona mangetaheta,

toy izany ny filazan-java-tsoa, avy any an-tany lavitra.

26Fantsakana voatsikebona, loharano voaloto,

toy izany ny marina mangozohozo eo anoloan’ny ratsy fanahy.

27Tsy mety ny mihinan-tantely betsaka,

toy izany koa ny mitady hahatakatra ny fiambonian’Andriamanitra,

fa ho resin’ny voninahiny.

28Tanàna efa afaka ny fahavalo ka tsy misy manda,

toy izany ny olona tsy mahay mifehy tena.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help