Jenezy 28 - Malagasy Catholic Bible

1Dia nantsoin’i Isaaka i Jakôba, ka notsofiny rano sy nomeny teny hoe: «Aza maka vady amin’ny zanaka vavin’i Kanaana.

2Fa miaingà ianao, mankanesa any Padan-Arama, any amin’i Batoela, rain-dreninao, ka any maka vady, amin’ireo zanaka vavin’i Labàna, anadahin-dreninao.

3Hohasoavin’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra anie ianao, ka hampitomboiny sy hohamaroiny, ho tonga firenena maro.

4Homeny anao anie ny fanasoavana an’i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao, mba hanananao ny tany itoeranao, izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.»

5Dia nalefan’i Isaaka i Jakôba, ka nandeha nankany Padan-Arama, amin’ny Labàna, zanak’i Batoela, Arameanina, anadahin-dRebekà, renin’i Jakôba sy i Esao.

I Esao nanambady hafa koa

6Hitan’i Esao fa nitso-drano an’i Jakôba i Isaaka sy naniraka azy haka vady any Padan-Arama, sady nanome teny azy teo ampitsofan-drano azy, nanao hoe:

7«Aza maka vady amin’ny zanaka vavin’i Kanaana, ary nanaiky ny tenin-dray aman-dreniny i Jakôba ka lasa nankany Padan-Arama.»

8Hitan’i Esao fa tsy tian’Isaaka rainy ny zanaka vavin’i Kanaana,

9ka lasa izy nankany amin’i Ismaely, naka an’i Maheleta, zanaka vavin’i Ismaely, zanak’i Abrahama, sy anabavin’i Nabaiôta, ho vadiny, fanampin’ireo efa nananany.

Ny nofin’i Jakôba

10Dia niala tany Bersabea i Jakôba nankany Haràna.

11Nony tonga tao amin’ny fitoerana anankiray izy, dia nandry teo, fa efa maty masoandro. Naka vato anankiray tao izy, nataony ondana, dia nandry teo, tamin’izany fitoerana izany.

12Ary nanonofy izy, ka indro, nisy tohatra anankiray niorina tamin’ny tany tafapaka amin’ny lanitra ny lohany; ary nisy Anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.

13Ary niseho terỳ ambony i Iaveh ka nanao hoe: «Izaho no Iaveh Andriamanitr’i Abrahama rainao, sy Andriamanitr’i Isaaka; io tany andrianao io, dia homeko anao sy ny taranakao.

14Ho tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao; hitatra any andrefana sy any atsinanana ianao, ary any avaratra sy any atsimo; ary aminao sy amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.

15Indro Aho momba anao, ka hiaro anao any amin’izay halehanao rehetra, sy hampody anao indray amin’ity tany ity. Fa tsy handao anao Aho, mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.»

16Nahatsiaro tamin’ny torimasony i Jakôba, ka nanao hoe: «Eto amin’ity fitoerana ity tokoa i Iaveh, fa izaho tsy nahalala izany.»

17Dia raiki-tahotra izy, ka nanohy hoe: «Endrey mahatahotra ity fitoerana ity! Eto tokoa ny tranon’Andriamanitra, eto no vavahadin’ny lanitra!»

18Nifoha maraina koa izy, dia nalainy ilay vato nataony ondana, naoriny nataony tsangam-bato ka norotsahany diloilo ny tampony.

19Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io. Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha.

20Ary nanao voady i Jakôba ka hoy izy: «Raha momba ahy tokoa Andriamanitra ka miaro ahy amin’izao dia alehako izao, raha manome ahy hanin-kohanina sy lamba hitafiako;

21ka tafaverina soa aman-tsara any an-tranon’ikaky aho, dia i Iaveh no ho Andriamanitro.

22Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangam-bato ity, ary haloako ho Anao ny ampahafolon’izay rehetra homenao ahy.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help